Nivahiny tao amin’ny Fandaharana ADY HEVITRA tao amin’ny Televiziona Malagasy ny Zoma 15 Janoary 2021 Andriamatoa Fidiniavo RAVOKATRA, Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika.

Lohahevitra maromaro no voaresaka nandritra izany, isan’izany ny momba:

  • Ny raharaha volamena 73,5 kg naondrana antsokosoko tratra tao Afrika Atsimo: mitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana ataon’ny Fanjakana malagasy sy ny fifandraisana ara-diplomatika miaraka amin’i Afrika Atsimo. Nihemotra ho amin’ny 1 Febroary 2021 ny raharaham-pitsarana any Afrika Atsimo ary tsy marina ny filazàna fa nolavin’ny Fitsarana any an-toerana ny fangatahan’ny Fanjakana Malagasy hampodiana ireo telo lahy voasambotra tany sy hamerenana an-tanindrazana ireo volamena izay ny firenena Afrika Atsimo no mbola mihazona azy saingy ampidirina avy hatrany ao amin’ny Tahirim-bolamenam-panjakana rehefa miverina eto Madagasikara. Samy manao ny asa tandrify azy ny tomponandraikitra rehetra ary tsy misy ho afa-maina izay voakasik’izao raharaha izao.
  • Ny tontolon’ny seha-pihariana volamena: tsy mifanaraka amin’ny antontanisa voarakitra ofisialy ny zava-misy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena satria manodidina ny 10T mahery no volamena voalaza fa avy aty Madagasikara ary latsaka lavitra noho izany no volamena voasoratra fa naondrana tamin’ny fomba ofisialy, izany hoe mandalo amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany (2020: 1938kg). Tsy tafiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny vola mifanaraka amin’ireo tsy voarakitra ofisialy ireo ary manampy trotraka ny tsy fiverenan’ny vola vahiny (rapatriement de devises) araka ny tokony ho izy. sy ny paikady ifarimbonan’ny Fanjakana hiarovana ny sisin-tany sy hamongorana ireo tambazotra fanondranana antsokosoko ny harenam-pirenena.
  • Ny Tahirimbolamenam-panjakana : ny 15 Desambra 2020 no nanomboka nividy volamena ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Hatreto dia 177 kg no volamena ao amin’ny Tahirimbolamenam-panjakana ary mbola mitohy ny fividianana volamena amin’ireo mpandraharaha ara-dalàna voafantina sy mahafeno ny fepetra amin’izany.
  • Ny fivoaran’ireo dingana ho amin’ny fanatsarana ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany: amperinasa tanteraka ny Komity ivondronan’ny vondrona marolafy ahitana ireo Mpitrandraka teratany, Mpitrandraka vaventy, ny Fiarahamonim-pirenena, ny Sendika ary ny Fanjakana.
  • Ny orinasa Kraomita Malagasy : efa misy ny ezaka nataon’ny Fanjakana ary nandoavana ny karaman’ny mpiasa telo volana na tao anaty fikatsoana sy tsy nihodina aza ny orinasa. Mitohy ny fitadiavam-bahaolana ho amin’ny drafi-panarenana ity orinasam-panjakana izay tafalatsaka anaty fahavoazana lalina noho ny fifanarahana tsy voahevitra ka mamatotra ny orinasa hatramin’izao.
  • Ny zava-misy ara-politika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao: tany demokratika i Madagasikara ary mandala ny fahalalahan’ny rehetra miteny sy maneho hevitra. Misy ny tolo-kevitra ho fanatsarana ary mandray sy mandinika izany ny Fanjakana. Misy koa anefa ny fanehoan-kevitra sy ny fampielezana vaovao tsy marina mampisavorovoro ny saim-bahoaka sy fambolena fankahalana.

Miroso ho amin’ny lalan’ny fampandrosoana izay efa izorany ny Fitondram-panjakana izay mifanome tanana amin’ny vahoaka ho fanatanterahana izany.

FAMBOLEN-KAZO DRMRS SAVA

Nanatanteraka adidy amin’ny fambolen-kazo voalohany taona 2021 ny Faritra SAVA ny Alakamisy lasa teo izay notanterahana tao amin’ny Commune Ampondra District Vohemar. Olo-manankaja sivily sy miaramila izay notarihin’ny Governoran’ny Faritra SAVA, ny Prefet Sambava, ireo chefs Districts, ireo Maires sy ireo Tale isan-tsokajiny avy ary ny vahoaka marobe no namita adidy. Nandray anjara mavitrika tamin’izany koa ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany DRMRS SAVA. Zanakazo Acacia miisa 50.000 no novolena tamin’izany.

Fambolen-kazo DRMRS DIANA

AKOM-BAOVAO DRMRS DIANA

Nanatanteraka fambolen-kazo ihany koa, tany Ampasira-Betahitry Commune rurale Ramena tamin’ny Zoma 22 Janoary 2022 ny Distrikan’Antsiranana-II. Zanakazo Mandrirofo sy Acacia, miisa 10 000 fototra, no nambolena tamin’ny velaran-tany 10 ha.

Tonga niatrika izany ireo manam-pahefana isan-tsokajiny ao amin’ny Faritra sy ny Distrikan’Antsiranana-II ary nandray anjara tamin’izany ny DRMRS DIANA.

AKOM-BAOVAO DIRMRS TOAMASINA : Fanokafana ny Taom-pambolen-kazo 2021

« Mamboly hazo Tia Tanindrazana, mandoro Ala mandoro Tanindrazana »

Na dia teo aza ny orana mikija izay nentin’ny cyclone Eloise tany Toamasina dia tanteraka soamantsara ihany koa ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo 2021 ny faha-19 janoary lasa teo, izay natao tao amin’ny Fokontany Antananambo, CR Fanandrana, District Toamasina II. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ireo mpiara-miasa amin’ny DIRMRS Toamasina.

Zana-kazo miisa 3000 no novolena nandritra izany hetsika izany izay notarihan’Andriamatoa Governoran’ny Faritra Atsinanana ary notronin’ireo manampahefana samihafa toa ny Préfet, ny Ben’ny tanana Toamasina I, ny Lehiben’ny Sampan-draharaha sy vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana any antoerana. Isan’ny nandray anjara nandritra izany koa ny mpianatra ny EPP Antananambo.

TAGNAMARO

Notanterahana ny Asabotsy 16 Janoary 2021 ny TAGNAMARO andiany voalohany tamin’ity taona ity. Nandray anjara tamin’ny ivon’ny fanombohana izany tao amin’ny Fokontany Ambovomaiky, Distrikan’ i Taolagnaro ny Fitalevam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany DRMRS Anosy.  Fanavaozana tranom-bahoaka, izay efa simba teo aloha, ho lasa trano famakiam-boky no nifandrimbonan’ireo sampan-draharaham-panjakana maro tany an-toerana, teo ambany fitarihan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana ANDRIATONGARIVO.

Fitalevam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena Stratejika maromaro hafa ihany koa no nitondra ny anjara birikiny tamin’ity Tagnamaro andiany voalohany ity. Isan’izany ny DIRMRS Toamasina, DRMRS Alaotra Mangoro, DIRMRS Fianarantsoa, DR Toliara. Fanadiovana ny toeram-piasana sy ny manodidina, fanadiovana ny araben’ny fahaleovan-tena, fambolena hazo fihinam-boa, ampahany amin’ireo asa notontosain’ireo mpiara-miasa isam-paritra ireo. Hetsika manamarika ny fandraisana andraikitra amin’ny maha olom-pirenena tia tanindrazana fa indrindra ihany koa ho fiarovana sy fisorohana amin’ny tsy hiparitahan’ny valanaretina Covid-19.

JOURNEE DE L’IGM

Notanterahana ny Sabotsy faha 28 Novambra 2020 ny hetsika « Journée de l’IGM », varavarana misokatra mampahafantatra bebe kokoa ny Institut de Gemmologie de Madagascar izay rantsamangaikan’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika. Mampiavaka azy ny maha-toeram-panofanana ambony tokana, nahazo alalana avy amin’ny fikambanan’ny Gemmologue maneran-tany any Londres, hampianatra ho lasa gemmologue international eto Afrika sy eto amin’ny ranomasimbe Indianina . Manana laboratoara fitaratra ihany koa ny IGM, manao fitsirihana sy manamarina ireo vato mivoaka ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Mpiasa 11 ao amin’ny IGM kosa no notolorana mari-pankasitrahana ka ny 3 volafotsy ny 8 kosa alimo.

Nanambara ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika Fidiniavo RAVOKATRA fa fanamby miandry ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny Institut de Gemmologie de Madagascar na ny IGM ny ahafahana mametraka ny label Made in Madagascar. Mba ahafahana mametraka ny vidiny lafo kokoa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena nefa dia mila ahodina sy tefena ireo vatosoa sy vato sarobidy malagasy ireo.

Horonantsary: Vaovao VIVA Evènement 28/11/2020

ANJOZOROBE : ATRIKASA FAMPAHAFANTARANA SY FAKAN-KEVITRA TENY IFOTONY HO FANATSARANA NY LALANA MIFEHY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

Tonga nanatanteraka atrikasa teny ifotony, niara-nidinika tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao anatin’ny Distrikan’Anjozorobe, ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA sy ireo mpiara-miasa aminy, ny Talata 24 Novambra 2020. Nanatrika sy nandray anjara mavitrika tamin’izany ireo tomponandraikim-panjakana isan-tsokajiny tany an-toerana, notarihan’ny Lehiben’ny Distrika Anjozorobe, ireo Ben’ny Tanàna sy Filankevitra Kaominaly avy amin’ireo Kaominina 19 mandrafitra ny Distrika, ary ireo avy amin’ny Sampandraharaham-panjakana any an-toerana.

Toerana anisan’ny manankarena harena an-kibon’ny tany ny Distrikan’Anjozorobe saingy, hatreto, mbola tsy misitraka ny tombontsoa azo avy amin’izany ny rehetra. Fatiantoka ho an’ny firenena sy ireo kaominina ny tsy fisian’ny tamberim-bidy miditra ao anaty kitapom-bolan’izy ireo, noho ny fisian’ny lesoka sy ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Ho fiatrehana izany olana izany indrindra no hirosoan’ny Fanjakana ankehitriny amin’ny fanatsarana ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany hita fa misy tsy fahatomombanana, efa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy, ary indrindra mba hanamorana ny fanatrarana ireo vina nosoritana mahakasika ny sehatra harena an-kibon’ny tany.

Hentitra ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA fa ny tombontsoa iraisana no imasoana ao anatin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany fa tsy tombontsoan’olom-bitsy; ny Fanjakana rahateo dia tsy mihemotra ho fikatsahana izany. Ny fakan-kevitra natao teny ifotony dia manamafy ny petra-kevitra ny amin’ny hanatsaràna sy hanavaozana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ary nahafahana mahafantatra ireo olana eny an-toerana ka hampifanaraka ny fepetra raisina manoloana izany.

Isan’ny nivoitra tamin’io dinikasa io fa manana andraikitra lehibe, ireo vondrom-bahoakam-paritra, indrindra ireo Ben’ny Tanàna, amin’ny lafiny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany. Manoloana izany, fampahafantarana ireo anjara andraikitra manandrify izay ao anatin’ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, fakàna ny soso-kevitr’izy ireo hahafahana manatsara ny lalam-pihariana eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany no lahadinika niompanan’ny fifanakalozana.

Velom-pisaorana araka izany ny Lehiben’ny Distrika Anjozorobe, izay naneho ny fahavononany hiara-miasa, mba hanatrarana ny tanjona iraisana. Torak’izany koa ireo Ben’ny Tanàna, izay samy resy lahatra fa fototry ny fampandrosoana ny fari-piadidian’izy ireo ny harena an-kibon’ny tany, nefa talohan’izao dia tsy nahafantatra izay anjara andraikitra sy ny zon’ireo kaominina manoloana izany izy ireo.

KOMITY FANATSARANA NY CODE MINIER : MITOHY NY FIARAHA-MIDINIKA ISAM-BONDRONA

Mitohy hatrany ny dinika fifanakalozan-kevitra iarahan’ireo mpitarika isam-bondrona anatin’ny komity mpandinika sy mpandrafitra mahakasika ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany sy ny Ministera tomponandraikitra. Vondrona izay ahitana ny fiarahamonim-pirenena, ny sendikan’ny mpitrandraka, ny tranoben’ny harena an-kibon’ny tany, ny mpitrandraka teratany ary ny fitantanan-draharaham-panjakana. Omaly Alakamisy 12 Novambra 2020, dia nisy ny fihaonana izay notarihin’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon- karena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA tao amin’ny Amphithéatre Lacroix Ampandrianomby.

Tsotra ny tanjona kinendrin’ny Fanjakana dia fanatsarana ny lalàna hifanaraka amin’ny toe-java-misy ankehitriny, mba hampitomboana ny tombotsoa ara-toekarena sy ara-tsosialy azo avy amin’ny alalan’ny harena an-kibon’ny tany, hampandrosoana ny firenena ary hisitrahan’ireo mpiantsehatra ny mahasoa azy ireo koa. Araka izany, samy mandroso izay tolo-kevitra avy aminy ny mpandray anjara isaky ny sokajiny, ary tsapa fa ankoatra ny fiadiana ho an’ny tombontsoan’ny vondrona tsirairay dia hita taratra ny fiaraha-mitsinjo ny tombontsoa iombonan’ny firenena.

Tsiahivina fa tamin’ny fiandohan’ity taona 2020 ity no nanombohan’ny fifampidinihana izay notanterahana isaky ny Alakamisy. Taorian’ny fiatoana noho ny hamehana ara-pahasalamana dia efa nitohy isan-kerinandro nanomboka ny 31 Aogositra 2020 izany.

Mbola maro ny lalana hizoran’ity fanatsaràna ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany ity miala avy eo amin’ny komity mpandinika sy mpandrafitra. Isan’izany ny fandinihana azy eo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta sy ny Filankevitry ny Minisitra, mialohan’ny hitondràna izany eo anivon’ny Antenimiera roa tonta. Ezahana ny hahatontosana izany ara-potoana manoloana ny zava-misy ankehitriny sy ny anjara biriky ho entin’ity sehatra ity eo amin’ny fanarenana ara-toekarena aorian’ny valanaretina Coronavirus.

VISITE DE COURTOISIE DE L’AMBASSADEUR DE SUISSE AU MINISTRE DES MINES ET DES RESSOURCES STRATÉGIQUES

L’Ambassadeur de la Confédération Suisse à Madagascar, SEM Chasper SAROTT a rendu une visite de courtoisie au Ministre des Mines et des Ressources stratégiques, Monsieur Fidiniavo RAVOKATRA ce mardi 03 novembre 2020, à Ampandrianomby.

Cette rencontre s’inscrit dans le cadre de la consolidation de la coopération entre Madagascar et la Suisse, et les échanges ont été axées dans le domaine des ressources naturelles, notamment minières.

Nous tenons à rendre honneur au secteur minier qui est un secteur très important pour l’économie de Madagascar, a souligné Son Excellence Monsieur l’Ambassadeur. Vus la ferme résolution de l’Etat et les efforts déjà menés pour se constituer une réserve nationale d’or, ainsi que de promouvoir une exploitation formelle et traçable de la filière aurifère, la question de la gestion des réserves d’or a été au centre des échanges lors de cette rencontre. En effet, la Suisse fait partie des pays qui possèdent la plus grande réserve d’or, rappelle le Ministre Fidiniavo RAVOKATRA.

Outre les échanges et partage d’expérience, cette visite fut l’occasion de discuter des opportunités de collaboration entre les deux pays, en termes d’investissement dans le secteur extractif. Dans ce contexte, la question de la mise à jour du cadre légal, à travers la réforme du Code Minier a été également soulevée.

Akon’ny DRMRS SAVA : Atomboka ny fanamboarana ny BAM Vohemar

Voapetraka soa aman-tsara ny 30 oktobra 2020 tany Vohemar ny vatofototry ny birao ifotony misahana ny fitantanan-draharan’ny Harena an-kibon’ny Tany na « Bureau d’Administration Minière » Vohemar, tao amin’ny Kaominina Andranomasikely I. Kaominina miisa 19 no mandrafitra ny Distrikan’ny Vohémar, ka ny 9 amin’ireo dia manana harena an-kibon’ny tany isan-karazany. Ny Distrikan’i Vohemar no ahitana izany betsaka indrindra any amin’ny Faritra SAVA, ary manaraka azy i Antalaha.

Tany an-toerana ny delegasionan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika, notarihin’ny Sekretera Jeneraly Andriamatoa RANDRIANARISON Primo sy ny Talen’ny Kabinetra RAKOTOARISON Adolphe. Nifanotrona nandritra izany ireo solontenam-panjakana any an-toerana, ny Talem-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika SAVA ary ny Talen’ny BCMM Sambava. Nanatrika izany ihany koa ireo olo-manan-kaja sy Olobe an’ny tanàna.

«Anisan’ny Faritra manan-karena harena an-kibon’ny tany ny Faritra SAVA, indrindra fa Vohemar, ka ho entina hanatsarana ny fintantanan-draharaha amin’ny harena an-kibon’ny tany, sady indrindra ho fitsinjovana ireo mpisehatra anatin’izany, no hananganana izao fotodrafitrasa izao», araka ny fanazavan’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministera tomponandraikitra. Ankoatra ireo sampandraharaha misahana ny fandraharahana, hametrahana solontena avy amin’ny BCMM, ANOR sy Unité Police des Mines ihany koa ny BAM Vohemar.

Mampiavaka an’i Vohemar ny fisian’ny seranan-tsambo lehibe any an-toerana, anatanterahana ny fanondranana rehetra avy any amin’ny faritra SAVA, ka tafiditra anatin’ny paikady hanamafisana ny fanaraha-maso ny fanondranana ny harena an-kibon’ny tany ihany koa izany.

Ho fanakaikezana hatrany ny vahoaka no antony hananganana izao fotodrafitrasa izao. Raha tsiahivina dia ny volana Septambra lasa teo no napetraky ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena Stratejika Fidiniavo RAVOKATRA ny Talem-paritra vaovao DRMRS SAVA ao Sambava. Tsy voatery hamonjy any Antsiranana intsony ny mpandraharaha ao Sambava, Andapa, Antalaha amin’ny fikarakarana taratasy. Mbola mifanalavitra amin’izany nefa ny ao Vohemar izay any amin’ny tapany avaratry ny Faritra, nefa ahitana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany maro, ka izao hananganana ny BAM izao.