Taorian’ny fitsidihana ny Tranobe iombonana hanodinana vatosoa na Atelier Communautaire de Lapidairerie teny Vatofotsy Antsirabe dia nisy ny fihaonana sy dinidinika niarahan’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika Fidiniavo RAVOKATRA sy ireo mpiara-miasa aminy tamin’ireo mpiantsehatra sy mpahazo tombontsoa amin’ity fotodrafitrasa ity.
Fotoana izay nampitàna ireo tsara ho fantatra momba ity tetikasa ity sy ny seha-pihariana vatosoa amin’ny ankapobeny, ary indrindra nanomezan’ireo mpiantsehatra tolo-kevitra momba ny fandrindrana sy fitantanana ary fampaharetana ny fotodrafitrasa iombonana sy ireo fitaovana ao anatiny.
Nankasitraka feno ny Fitondram-panjakana amin’izao foto-drafitrasa izao, izay tena mamaly ny filàny, ireo mpiantsehatra izay nilaza fa matetika misedra olana amin’ny tsy fananana fitaovana hary fomba hanarahana ny lenta takian’ny tsena iraisam-pirenena. Nahavelom-bolo ny fifanakalozan-kevitra sy ny fahavitrihan’ny mpandray anjara nandritra izao fihaonana izao.
Tetikasa santatra ity ao Antsirabe ity, araka ny fanazavan’ny Minisitra Fidiniavo RAVOKATRA ary kendrena hihodina avy hatrany ny ivon-toerana raha vantany vao tonga ireo fampitaovana hampiasaina ao anatiny. Mbola hisitraka fotodrafitrasa toy izao ny any amin’ny Faritra hafa satria maro ireo olona mivelona amin’ity seha-pihariana vatosoa sy vato sarobidy ity. Nohamafisiny hatrany koa ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fampanarahan-dalàna ireo mpiantsehatra mba hahafahan’ny lalam-pihariana vatosoa hitondra fampandrosoana tena izy ho an’ny Faritra sy ny firenena.