TAHIRIM-BOLAMENA NASIONALY: Volamena 1Taonina sy 3 kilao no voangona ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara tao anatin’ny efa-bolana

Tafapetraka ny taona 2020 ny Tahirim-bolamena Nasionaly izay isan’ny fanamby lehibe napetraky ny Filoham-pirenena. Mitotaly 1Taonina sy 3 kilao ny lanjan’ny Tahirim-bolamena ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Isan’ny nambaran’Andriamatoa Fidiniavo RAVOKATRA Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy Loharanon-karena Stratejika ireo, nandritra ny fihaonana ampitain-davitra nitondrany ny Tatitry ny asa vitan’ny Ministera sahaniny tamin’ny taona 2020 teo anivon’ny Antenimierampirenena, ny Alakamisy 17 Jona 2021.

Dingana lehibe amin’ny tantaran’i Madagasikara ny nametrahana ny Tahirimbolamena Nasionaly, ary amin’izao vanim-potoana izao no tanteraka izany satria afaka nividy volamena ny Banky Foiben’i Madagasikara nanomboka ny 15 Desambra 2020. Samy manana ny andraikitra miavaka saingy mifameno ao anatin’izany ny Banky Foiben’i Madagasikara sy ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika. Ny Ministera dia mitarika sy mametraka ny lalan’ny volamena hahatongavan’izany ho any amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Ity farany kosa no miandraikitra ny fividianana ireo volamena araka izany rindran-damina izany.

Raha 177 Kg no volamena voangona hatramin’ny 31 Desambra 2020, ny 08 Aprily 2021, izany hoe efa-bolana taty aoriana dia feno ny 1 Taonina sy 3Kg. Mampiseho ny fahombiazan’ny fomba fiasa napetraka izany; ireo mpandraharaha mivarotra ny volamena rahateo dia resy lahatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana. Marihana fa arakaraky ny vidin’ny volamena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no ividianan’ny Banky Foiben’i Madagasikara ny volamena.

Mbola hitohy ny fividianana volamena amin’ireo mpandraharaha voafantina sy mahafeno ny fepetra napetraky ny Banky Foiben’i Madagasikara.

Fikaroham-bahaolana ifotony momba ny kariera Andilana Avaratra

Ankoatra ny fijerena ifotony nataon’ny Minisitra tao amin’ny kariera Andilana Avaratra, fihaonana nifanesy tamin’ireo ankolafin’ny mpisehatra maro nahitana an’Andriamatoa Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro Dr RAMANDEHAMANANA Richard, Andriamatoa RAKOTOMAHANDRY Thimoté Lehiben’ny Fileovana Ambatondrazaka , Andriamatoa Tsiry NOHARY Lehiben’ny Distrikan’Amparafaravola, ireo mpitandro filaminana OMC, ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ireo Distrika rehetra tao anatin’ny Faritra Alaotra Mangoro, ireo Ben’ny tanana voafidy tao amin’ny Kaominina rehetra ao anatin’ny Distrika Amparafaravola, Mpikirakira sy mpividy vato, Tangalamena, tompon-tany sy tompon’ny lavaka Fifampidinihana hahafahana mampiditra ny vahoaka ao anatin’ny ara-dalàna sy hirindran’ny fandriam-pahalemana mba hahafahana manokatra izany kariera izany.

Harena iombonan’ny Malagasy rehetra ny harena an-kibon’ny tany ary rariny raha misitraka izany ny vahoaka Malagasy, araka ny nambaran’ny Minisitra Fidiniavo RAVOKATRA. Etsy andaniny, iaraha-mahalala fa ao anatin’ny tsy ara-dalàna ny asa fitrandrahana ataon’ny vahoaka ao Andilana Avaratra. Etsy ankilany, manatanteraka izany amin’ny fijerena ny ara-drariny ireo vahoaka, ka izany no tsy maintsy irosoana amin’ny fampidirana azy ireo ao anaty sehatra ara-dalàna. Tanjona ny fikatsahana ny hahazoana antoka ny tombontsoa sy tamberimbidy ary fampandrosoana ho entin’izany fitrandrahana izany ho an’ny rehetra.

Nanatanteraka fitsidihana tany amin’ny Faritra Alaotra Mangoro ny delegasion’ny Ministera foibe tarihin’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy loharanon-karena stratejika Andriamatoa Fidiniavo RAVOKATRA izay tonga nijery ny tena zava-misy marina ny 11 sy 12 Jona 2021.

Fiaraha-mikaroka ny vahaolana no natao, mba hahafahana mamoaka tondrozotra iray hitantanana iny asa fitrandrahana, miainga avy amin’ireo tolo-kevitra voaray. Isan’ny voaresaka tamin’izany ny :

– fananganana bokinandraikitra ho an’ireo mpitarika vondron’olona hiasa eny amin’ny Kariera ( filaminana, fahadiovana, fahandriampahalemana, teknikam-pitrandrahana,…)

– Fametrahana toerana iray hividianana vato

– Fanaraha-maso ny kalitao sy ny vidim-bato

Kasaina ny hanaovana fari-pitrandrahana filamatra ity kariera Andilana Avaratra ity mikasika ny famahana ny olan’ireo kariera vaky manerana ny Nosy. Nankasitraka ary samy naneho ny fahavononany hanohy ny fandraisana andraikitra izay aterak’izao fifanomezan-tanana eo amin’ny samy olom-panjakana izao ireo mpitondra any an-toerana.