Nitondra fanampim-panazavana ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany mahakasika ireo hevitra tapaka teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra Alarobia 07 Oktobra 2020

Nitondra fanampim-panazavana manoloana ny mpanao gazety Andriamatoa Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA, androany 08 Oktobra teny amin’ny toeram-piasany teny Ampandrianomby, mahakasika ireo hevitra tapaka teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra omaly Alarobia 07 oktobra 2020.

Momba ny famerenana ilay volamena 25,5 kg naondrana tsy ara-dalàna tatsy amin’ny Nosy Maorisy.

Efa mandeha ny fifampiresahana eo amin’ny firenena sy fadintseranana maorisianina, hoy ny Minisitra, ka ny tanjona dia ny hamerenana eto an-tanindrazana ireo volamena ireo ary ho ampidirina avy hatrany amin’ny tahirim-bolamena nasionaly. Notsipihany fa tsy nisy taratasy mazava ny nivoahan’ireo volamena ireo avy eto Madagasikara. Mitohy ny fanenjehana ireo nitondra sy nanondrana izany eo anivon’ny Fitsarana. Fifampiresahana ara-diplomatika sy amin’ny lafiny Fitsarana no heverina hanohizana ny fifampiresahana.

Nitondrany fanazavana ihany koa ny mahakasika ny fananganana ny tahirim-bolamena nasionaly, araka ny fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavin’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) sy ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika. Ao anatin’ny « appel à manifestation d’intérêt » ny Banky Foibe ankehitriny hamantarana sy hifantenana ireo tobim-pivarotam-bolamena sy ireo mpitrandraka volamena manana fahazoan-dalana ara-dalàna, izay vonona ny hivarotra volamena amin’ny Fanjakana. Ny Fanjakana moa no hividy izany amin’ny alalan’ny Banky Foiben’i Madagasikara, ary tsy ho ela dia hanomboka hividy volamena amin’ireo mahafeno fepetra ny Banky Foibe raha ny tetikandro.