Fizaràna vatsy sy nofon-kena mitam-pihavanana

Amin’izao vanim-potoana ankatoky ny fety samihafa amin’ny Krismasy sy faran’ny taona izao dia nisy ny fizaràna vatsy sy nofon-kena mitam-pihavanana ho fiaraha-mifaly amin’ny ankohonan’ny mpiasan’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika, izay notanterahana ny Zoma faha-23 Desambra 2022 tao amin’ny Amphithéâtre Lacroix Ampandrianomby.

Nandritra izany fotoana izany ihany koa dia nisy ny fizaràn’Andriamatoa Minisitra RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier ireo ezaka sy asa notanterahan’ny Ministera nandritra izay valo volana farany izay, mba tsy ho tompon-trano mihono ny mpiara-miasa.

Andriamatoa Minisitra dia nankasitraka ny ezaka nataon’ny tsirairay ka nahazoana izany vokatra izany, na eo aza  ny toe-java-misy izay mampisedra olana ny sehatra harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika. Nohamafisiny fa mbola maro sy ny asa miandry mba hitondran’ity seha-pihariana ity anjara biriky ho fampandrosoana ny toe-karem-pirenena.