Nidina tany amin’ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanonkarena Stratejika DIANA ny Tale Jeneralin’ny Harena an-kibon’ny tany ny 13-15 desambra 2022 lasa teo.

Fidinana izay nahafahana nifanakalo vaovao sy niresaka bebe kokoa ny olana sy ny vahaolana eo amin’ny lafiny fitantanana ny Harena an-kibon’ny tany any amin’ny Faritra DIANA manomboka any amin’ny fitrandrahana, ny famarotana sy fanodinana ary ny fanondranana.

Ankoatry ny fifanakalozam-baovao dia nisy ny fanomezana tohana ara-teknika sy fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fanatanterahana ny asa ka nizaràna traikefa amin’ny fampiasana ny « Système d’Information Géographiques » ho amin’ny fitsirihana ny zava-misy amin’ny toerana misy fitrandrahana Harena an-kibon’ny Tany. Nojerena tamin’izany ihany koa ireo toerana misy mitrandraka harena an-kibon’ny tany ka tokony hahafeno fepetra hampidiran’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany azy ao anaty « Zones d’encadrement des petits exploitants et d’orpailleurs ».

Samy nahatsapa ny mpiara-miasa fa ilaina hatrany ny fitsidihana sy fifampizaràna avy amin’ny Ministera foibe mba hahafahana manatsara ny asa ho fampandrosoana ny sehatry ny Harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara.

Fampitam-baovao sy sary : Tale Jeneralin’ny harena an-kibon’ny tany