Fanjakana manakaiky vahoaka : hatsangana ny BAM Miandrivazo

Tontosa omaly Alatsinainy faha-19 Oktobra 2020 ny fametrahana ny vato fototra ho fanamarihana ny fanombohan’ny asa fanorenana ny Biraompitantanan-draharan’ny Harena an-kibon’ny Tany na Bureau d’Administration Minière (BAM) ho an’ny distrikan’i Miandrivazo.

“Antenaina fa hitondra fanovana amin’ny lafiny toe-karena sy amin’ny fanatsarana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany aty amin’ny Faritra Menabe, indrindra eto amin’ny Distrikan’i Miandrivazo ny fananana izao fotodrafitrasa izao”, hoy Andriamatoa Fidiniavo RAVOKATRA, Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika, izay tany an-toerana nitarika ny lanonana. Nifanotrona tamin’izany ihany koa ireo solontenam-panjakana any an-toerana nahitana ny avy ao amin’ny Governoran’ny Faritra Menabe, ny Prefen’ny Morondava, ny Distrika,ny kaominina Miandrivazo ary ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny loharanon-karena Stratejika Menabe.

Tafiditra ao anatin’ny programanasan’ny Governemanta ho fampandrosoana ny Faritra rehetra manerana ny Nosy ny fanatanterahana izao asa izao, hoy hatrany ny fanazavany.

Ankoatra ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany, dia apetraka ny BAM, izay hahitana ihany koa ny ratsamangaikan’ny ANOR sy BCMM, ho fitsinjovana ireo mpandraharaha mpiantsehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany izay tojo fahasahiranana, noho ny halaviran-tany amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy any amin’ny biraom-panjakana tsy maintsy aleha.

Volam-panjakana madiodio an’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika no hanatanterahana ny asa fanorenana izay haharitra roa volana.