SEHA-PIHARIANA TANTELY AMORON’I MANIA : NANOTRONA NY LANONANA FAMPAHAFANTARANA SY FANOLORANA FITAOVANA HARIFOMBA HO AN’NY VOVONANA PLATMIAM AMBOSITRA NY MINISITRA COACH RAKOTOMALALA HERINDRAINY OLIVIER

Natolotra ireo tantsaha mpandraharaha eo amin’ny seha-pihariana tantely, mivondrona anaty vovonana sy koperativa PLATMIAM (Plateforme Miel Amoron’i Mania) ny fitaovana harifomba hanodinana ny tantely. Notanterahana ny Zoma 20 Janoary 2023 tao Ambositra, renivohitry ny Faritra Amoron’i Mania, ny lanonana fampahafantarana sy fanolorana izany, tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Taniketsa Indostrialy » na ny ODOF « One District One Factory ».

Amin’ny maha-Minisitra mpiahy ny Faritra Amoron’i Mania ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, dia tonga tany an-toerana izy, nanotrona ny lanonana izay notanterahana teo ambany fitarihan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana Edgard RAZAFINDRAVAHY.  Nanatrika izany ihany koa ireo solontenam-panjakana any an-toerana, olom-boafidy sy olom-boatendry.

Na izy mirahalahy mpikambana anaty Governemanta na ireo solombavambahoaka dia samy nisaotra ny Filoham-pirenena sy ny Fitondram-panjakana ny amin’ny finiavana hiasa sy fikarohana hatrany ireo mahasoa hanampiana ny vahoaka eny ifotony.