FANOMBOHANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TAOM-PAMBOLEN-KAZO 2023 Seranandavitra, Ilaka Est- 28/01/2023

Niara-nientana tamin’ireo vahoaka maro aman’alina tamin’ny fanombohana ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2023, notanterahana teo ambany fitarihan’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tany Ilaka Est ny delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika izay notarihan’Andriamatoa Minisitra RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier.

Solontena avy amin’ny Ministera foibe sy ireo mpiara-miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritra DIRMRS Toamasina sy biraom-paritry ny BCMM Toamasina no tonga nandray anjara mavitrika tamin’izany hetsika goavana izany. Goavana satria zana-kazo 120.000 fototra no voaomana hovolena tamin’ny velarantany 75 hekitara, ary miampy famafazana voa amin’ny drones teo amin’ny velarantany 25 hekitara.

Izay mamboly hazo mamelona aina, Izay mamboly hazo mamelona an’i Madagasikara