FARITRA VAKINANKARATRA : VONDRONA MPITRANDRAKA MADINIKA MIISA 09 (SIVY) NOTOLORANA BOKIN’ANDRAIKITRA ANATY HAHAFAHANA MIASA ANATY ZONE D’ENCADREMENT DES PETITS EXPLOITANTS MINIERS

Androany Zoma 03 Febroary 2023 dia nihaona tamin’ireo tomponandraiki-panjakana ao amin’ny renivohitry ny Faritra Vakinankaratra sy nampivory ireo mpitrandraka madinika nahazo alalana hiasa anaty Zone d’encadrement ao amin’ny Faritra Vakinankaratra ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier.

Vondrona mpitrandraka madinika miisa sivy (9) avy amin’ny Distrika Antsirabe II, Betafo sy Mandoto no nahafeno ny fepetra ka notolorana ny Bokin’andraikitra ahafahan’izy ireo miasa eny anivon’ny faritra voatokana ho amin’izany.

Izao no atao dia ho fanatanterahana ny Velirano faha-10 mikasika ny “Fitantanana lovain-jafy ny harena voajanahary”. Tafiditra amin’izany ny harena an-kibon’ny tany, izay harena voajanahary tsy azo havaozina ka mila ametrahana paikady manokana. Tanjona voafaritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana rahateo ny fampiroboroboana ny fitrandrahana vaventy ary fanaovana matihanina ny fitrandrahana madinika, ka manatanteraka izany ny Ministera misahana ny harena an-kibon’ny tany.

Nampatsiahivin’ny Minisitra nandritra izao fihaonana izao ireo fitsipika aman-dalàna tsara ho fantatra momba ny fanatanterahan’ireo vondrona mpitrandraka madinika ny asany.  Nohamafisiny manokana fa mijanona amin’ireo fepetra rehetra izay azon’ny mpitrandraka madinika atao ny asa fitrandrahana hataon’ireo vondrona mpitrandraka madinika hiasa anaty Zone d’encadrement. Eo ihany koa ny fanajana ireo fepetra ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy isan-karazany, ary indrindra ny tsy fampiasana fitaovam-pitrandrahana goavana. Mihatra ireo fepetra ireo satria araka ny voalazan’ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ny vondrona mpitrandraka madinika dia mpitrandraka madinika ihany.

Tsara hatrany ny mampahatsiahy fa ireny toerana faritana ho « Zone d’encadrement des petits exploitants miniers et d’orpailleurs » manerana ny Nosy ireny dia mahafeno ireo fepetra takiana amin’izany : tsy tafiditra anaty faritra arovana, tsy mifanindry amin’ny fari-pitrandrahana efa misy fahazoan-dalana hitrandraka. Araka izany dia faritra malalaka mbola tsy misy tompony no omena ireo vondrona mpitrandraka madinika hitrandrahany harena an-kibon’ny tany na volamena.

 Nanotrona sy nanome voninahitra izao fihaonana teo amin’ny Ministry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika  sy ireo mpitrandraka madinika, izay notanterahana tao Antsirabe izao ireo tomponandraiki-panjakana eo an-toerana dia Andriamatoa isany Governoran’ny Faritra Vakinankaratra sy ny Préfet an’Antsirabe.