FAMPITOMBOANA NY FAMOKARANA SIMENITRA ATAON’NY ORINASA CEMENTIS : NIJERY IFOTONY MOMBA NY HABETSAKY NY AKORA AMPIASAINA NY MINISITRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

Ibity, 03 Febroary 2023 – Nanatanteraka fitsidihana ny Orinasa mpamokatra simenitra Cementis na HOLCIM teo aloha ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier.

Calcaire, argile, gypse, pouzzolane : akora fampiasa amin’ny famokarana simenitra ireo, izay samy harena an-kibon’ny tany avy eto an-toerana avokoa.

Nitsidika ny orinasa CEMENTIS ny Minisitra ary nijery momba ny fanatanterahana ny tetikasa nifanaovan-tsonia niaraka tamin’ny Fitondram-panjakana malagasy mba hanitarana avo dimy heny ny habetsaky ny simenitra vokarin’ny orinasa. Tanjona ny hamatsiana ny tsena anatiny sy hampihenana ny fanafarana avy any ivelany.

Natao ny fidinana ifotony mba hijerena raha toa ka ampy hanatanterahana izany tetikasa izany ireo akora harena an-kibon’ny tany misy. Hita tamin’ireo fitiliana izay natao tany an-toerana fa raha ny tahirin’ny akora calcaire dia ampy tsara ary mbola misy azo ampiasaina hatramin’ny 40 taona, na misy aza ny fampitomboana ny famokarana. Miankina amin’ny orinasa kosa ny fampiasam-bola izay entina hanaovana ny foto-drafitrasa vaovao fanitarana ny orinasa sy hamokarana bebe kokoa.

Nanentana ny Minisitra mba hanatanterahana faran’izay haingana ny tetikasa mba hahatratrarana ny fampandrosoana an’i Madagasikara na ny Emergence, satria dia mitaky fanorenana foto-drafitrasa maro ho enti-mamokatra ary mila fampiasana simenitra izany.