AKOM-BAOVAO DRMRS ALAOTRA MANGORO

Ny Zoma faha-03 Febroary 2023 dia nisy ny fivoriana  tao amin’ny efitrano Masinjara (La place Ambatondrazaka) mikasika ny « Lancement de l’encadrement des groupements des petits exploitants miniers ».

Ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika, Andriamatoa RAZANANIRINA Henri Délice no nitarika izany, ary nahitana an’Andriamatoa VELONARIVO Pascal Clovis Tale jeneralin’ny Loharanon-karena Stratejika. Tonga nanome voninahitra izany Andriamatoa Préfet Ambatondrazaka,ny Governora mpisolo toerana, ny Ben’ny tanana kaomina Ambonivohitra Ambatondrazaka, ary ireo tomponandraikitra sivily sy miaramila any antoerana. Teo ihany koa  ireo solontenan’ny fikambanana izay nahazo ny « Arrêté Zone d’encadrement ».

 Nandritra Izany fihaonana izany no namelabelarana ireo sarin-tany isaky ny kaomina izay misy ny « Zone d’encadrement « , ny lisitry ny « substances » sy ny  lisitry ny fikambanana.

Nomena ihany koa ny fanazavana momba  ireo dingana tsy maintsy ho lalovana aorian’ny fivoahan’ny Didim-panjakana, ny zo fototra sy adidy miandry ireo vondrona mpitrandraka madinika manoloana izany. Nisy ihany koa ny fanaovana sonia ny bokin’andraikitra ho an’ireo fikambanana.

📸 Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Alaotra Mangoro