Voapetraka ihany koa ny vatofototry ny BAM Mananjary

Am-perinasa tanteraka ho fanatrarana ny vina fitantanana mahomby sy mangarahara ny harena an-kibon’ny tany ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika ankehitriny. Tontosa ny andron’ny omaly Zoma 23 oktobra ihany koa ny fametrahana ny vatofototry ny biraompitantanan-draharan’ny Harena an-kibon’ny Tany na « Bureau d’Administration Minière » BAM Mananjary. Nanatanteraka izany tany an-toerana ny delegasiona notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera Andriamatoa RANDRIANARISON Primo sy ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitra Andriamatoa RAKOTOARISON Adolphe ary ireo mpiara-miasa aminy.

Na tany Tsiroanomandidy izay notarihan’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika Fidiniavo RAVOKATRA, na tany Mananjary dia nifanotrona nandritra ireo lanonam-pametrahana ireo hatrany ireo solontenam-panjakana any an-toerana: ny Solombavambahoaka, ny Governora sy Préfet ny Faritra, ny avy amin’ny Distrika, ireo Ben’ny Tanàna amin’ny Kaominina manodidina. Ho an’ny tany Mananjary dia nanotrona izany ihany koa ireo Ampanjaka izay nanome tsodrano mialoha ny fametrahana ny vato fototra. Ny BAM dia rafitra iray miankina amin’ny Talem-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika. Haharitra 60 andro ny asa fanorenana ireo fotodrafitrasa vaovao. Aorian’izay dia hisokatra sy hiasa avy hatrany ny toerana ary ankoatran’ireo sampandraharaha fototra dia hahitana ihany koa ratsamangaikan’ny ANOR sy BCMM.