EITI Madagascar : Tonga nanatrika ny fivorian’ny Comité National ireo iraka avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena mandalo eto Madagasikara

Tafiditra anaty fandaharanasan’ny Filoham-pirenena ny fametrahana ny fitantanana mahomby sy mangarahara. Mikasika manokana ny fangarahararan’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany dia isan’ireo firenena mampihatra ny fenitra iraisam-pirenena EITI na ITIE (Initiative pour la Transparence des Industries Extractives) i Madagasikara.

Androany 09 Febroary 2023, dia nisy ny fivorian’ny Comité National EITI Madagascar ho fanomanana ny tombana dingana fahatelo na 3ème Validation an’i Madagasikara amin’ny maha-mpikambana azy.

Mifanojo amin’ny fandalovan’ireo iraka avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena eto an-tanindrazana izany fivorian’ny Comité National EITI Madagascar izany ka tonga nanatrika izany izy ireo.

Ny Banky Iraisam-pirenena tokoa mantsy, araka ny fanazavan’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, dia anisan’ny manohana ny fangaraharan’ny fitantanana eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, amin’ny famatsiana ara-bola ny fanatanterahana ireo asa takiana amin’ny fampiharana ny fenitra iraisam-pirenena EITI.

Ho firosoana amin’ny dingana manaraka, isan’ny jerena akaiky amin’i Madagasikara ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana an’izany. Manao ny ezaka rehetra ho fandraisana andraikitra ny Fanjakana, ary maro ireo fandraisana andraikitra efa natao hatramin’izay ho fametrahana ny fangaraharana eo amin’ny fitantanana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika. Miara-miasa ireo mpiantsehatra isan-karazany ao anatin’ny Comité national izay ahitana solontenan’ny vondrona maromaro ao anatiny, toy ny avy amin’ny Fanjakana, ny mpandraharaha tsy miankina (harena an-kibon’ny tany sy solika), ny fiarahamonim-pirenena. Ireo vokatra toy ny Validations roa voalohany efa azo teo aloha dia isan’ny taratr’izay fiaraha-miasa mahomby izay irariana hitohy hatrany izay.

Tombony ho an’ny firenena mandala ny fenitra fangaraharana toy izao moa ny fisarihana sy fampiakarana ny fahatokisan’ireo mpampiasa vola. Mitombina indrindra izany ho an’i Madagasikara amin’ny sehatra harena an-kibon’ny tany, izay mitaky fampiasam-bola mba hamadihana ireo otrikarena maro ananany mba ho tena harena azo ampiasaina arak’izay.

ITIE Madagascar : Réunion du Comité National en présence des missionnaires de la Banque Mondiale

L’Initiative pour la Transparence des Industries Extractives (ITIE) est une norme internationale qui exige la transparence et la gestion responsable des revenus perçus par l’État auprès du secteur extractif, à travers une plateforme de dialogue tripartite composée de l’administration, des industries extractives et des sociétés civiles.

Dans le cadre de la préparation de la Troisième validation du pays, le Comité National EITI Madagascar a tenu une Réunion ce 09 février 2023 au Mining Business Center Ivato. Des missionnaires de la Banque Mondiale, actuellement dans nos murs ont également assisté à ladite réunion. A noter que cette institution financière internationale a toujours appuyé la mise en œuvre de l’EITI Madagascar.

 Le Ministre des Mines et des Ressources Stratégiques et en même temps Champion de l’EITI Madagascar a tenu à relever qu’en terme d’engagement de l’Etat pour la transparence des industries extractives, nombreux efforts ont été déployés ; et à travers les actions concrètes, les parties prenantes, notamment l’Administration, continuent à renforcer leurs engagements dans ce sens.