FAMBOLEN-KAZO NOTANTERAHAN’NY FIANAKAVIAMBEN’NY MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY NY LOHARANONKARENA STRATEJIKA SY IREO MPIANTSEHATRA AMIN’IZANY SEHA-PIHARIANA IZANY

Izay mamboly hazo mamelona aina, Izay mamboly hazo mamelona an’i Madagasikara

Nandritra ny hetsika izay notanterahana teo ambany fitarihan’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier sy Ramatoa vadiny, zanakazo toy ny acacia, eucalyptus, pin miisa 6.000 fototra no novolena tamin’ny velarantany 3 hekitara teny amin’ny Fokontany Ambohibarikely, Kaominina Ambalavao, Antananarivo Atsimondrano, androany Zoma 10 Febroary 2023.

Niara-nientana tamin’ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ireo rantsa-mangaika ao aminy namboly hazo teny an-toerana ireo solontena maro avy amin’ny mpiara-miombon’antoka, fikambanana samihafa an’ireo mpiantsehatra amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ny fikarohana solitany, fikambanana injeniera, federasionan’ny mpitrandraka madinika, ny fiarahamonim-pirenena sy ny maro hafa.

Faritra izay ajarian’ny  » Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques  » na OMNIS io toerana nanatontosana ny fambolen-kazo io ka tao anatin’ny 37 taona izay dia velarana 32,5 hekitara no voarakotra ala, novolena hazo mahatratra 200.000 isa, teo Ampangabe sy ny manodidina.

Nankasitraka manokana ny OMNIS sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra tonga maro Andriamatoa Minisitra ary nanamafy fa manao ho zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana ny Ministera sy ireo mpiantsehatra harena an-kibon’ny tany sy fikarohana solitany. Ankoatra ny Ministera foibe dia efa maro ihany koa ireo Fitaleavam-paritra sy iraisam-paritry ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany miparitaka manerana ny Nosy no nitondra ny anjara birikiny ho amin’ny fandrakofana ala an’i Madagasikara.

Durant le Reboisement effectué sous la direction du Ministre des Mines et des Ressources Stratégiques RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier et son Epouse, 6.000 jeunes plants de type acacia, pin, eucalyptus ont été mis en terre sur une superficie de 3 hectares dans le Fokontany d’Ambohibarikely, Commune rurale d’Ambalavao, Antananarivo Atsimondrano, ce vendredi 10 Février 2023.

Outre le personnel dudit Ministère et de ses organismes rattachés, nombreux ont été les acteurs des secteurs membres de diverses associations et groupements qui y ont participé. Entre autres, l’Association des Professionnelles du secteur Pétrolier Amont de Madagascar (APPAM), la Chambre des Mines de Madagascar, le Groupement des lapidaires et Opérateurs Miniers de Madagascar (GLOMM), la Fédération des Opérateurs Miniers de Madagascar (FOMM), l’Association des Ingénieurs des Mines de Madagascar (AIMIMA), l’Association des Ingénieurs Géologues Malagasy, l’OSCIE (Organisation de la Société Civile sur les Industries Extractives).

Située dans la zone communément dénommée Ampangabe, le terrain en question est entretenu par l’Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques (OMNIS), qui y a effectué depuis trente-sept ans ses activités de reboisement. Durant ces trois décennies, près de 200.000 arbres ont été plantés sur une superficie de 32,5 hectares. 

Monsieur le Ministre a remercié tous les participants, particulièrement OMNIS et a souligné que les acteurs des secteurs miniers et pétrole en amont sont également engagés dans les actions pour la protection de l’environnement. Les directions régionales et inter-régionales du département ministériel dispersées dans toute l’Île ont déjà participé aux activités de reboisement au niveau de leurs circonscriptions respectives, et ont également organisé des reboisement avec la participation des partenaires et opérateurs du secteur.

MMRS/DCRI – Février 2023