AKOM-BAOVAO DIRMRS Mahajanga : Fanombohana ny tan-tsoroka ho an’ny Vondrona mpitrandraka madinika tany amin’ny Faritra Boeny sy Betsiboka

Politika ankapoben’ny Fanjakana ny hanaovana ho matihanina sy ara-dalàna ireo mpitrandraka madinika, ka ahatongavana amin’izay dia manome tantsoroka ireo vondrona mpitrandraka madinika hiasa anaty Zone d’encadrement ny teknisianina eo anivon’ny Ministera amin’ireo Fitaleavana isam-paritra na iraisam-paritra, hanoro sy hanome toromarika ho azy ireo amin’ny lafiny ara-panjakana, ara tontolo iainana ary ny momba ny teknikam-pitrandrahana. Ho vahaolana manoloana ny zava-misy ankehitriny eo amin’ny sehatra harena an-kibon’ny tany ary ho fampidirana ny mpitrandraka madinika amin’ny ara-dalàna no anatanterahan’ny Ministera tomponandraikitra an’ izany anaty fampiharana ny lalàna manankery.

Manerana an’i Madagasikara no hanaovana izany tantsoroka izany, ka ny Asabotsy faha-04 Febroary 2023 tao amin’ny efitrano Akory haly Mangarivotra dia nisy ny Atrikasa « Fanombohana ny tan-tsoroka ho an’ny Vondrona Mpitrandraka Madinika tany amin’ny Faritra Boeny sy Betsiboka ».

Ny Tale Jeneralin’ny harena an-kibon’ny tany Andriamatoa RAKOTONDRAVALY Désiré Alphonse no nitarika izany, notronin’ireo Talem-paritra sy ireo sampan-draharaham-panjakana misy ao Mahajanga, izay nahitana ny Tale iraisam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika DIRMRS Mahajanga sy ny Tale iraisam-paritry ny BCMM, ireo Ben’ ny Tanana amin’ny toeram-pitrandrahana ary ireo solontenan’ny Vondrona valo (8 ) izay nahazo ny “Didim-pitondrana mamaritra ireo toerana anaovana tan-tsoroka ho an’ny mpitrandraka madinika” na « Arrêté de délimitation des Zones d’encadrement pour les petits exploitants ».

Nandritra izany fihaonana izany no namelabelarana ireo sarintany isaky ny kaominina izay misy ny « Zone d’encadrement », ny lisitry ny akora na substances ho trandrahana ary ny anaran’ny Vondrona hisitraka ny tantsoroka na ny encadrement ao anatin’ny faritra na ny zone hanaovana izany.

Misy moa ireo dingana tsy maintsy ho lalovana aorian’ny fivoahan’ny Didim-pitondrana, ka nomena ny fanazavana momba izany sy ny zo fototra, ny adidy ary ny andraikitra miandry ireo vondrona mpitrandraka madinika manoloana izany. Nofaranana tamin’ny fanolorana ny Bokin’andraikitra ho an’ny Vondrona na « Groupement » efa nahatanteraka ny dingana tokony harahiny ka efa hanomboka tsy ho ela amin’ny asa ara-dalàna ny fotoana.

Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra DIRMRS Mahajanga

MMRS/DCRI – Février 2023