Hatsangana ao Antsirabe ny Atelier Communautaire de Lapidairerie

Napetraky ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA ny 26 Oktobra 2020 tao Vatofotsy Antsirabe ny vatofototra ho fanombohana ny asa fananganana ny Tranobe iombonana hanodinana ny vatosoa ho an’ireo mpiantsehatra amin’ny vatosoa na Atelier Communautaire de Lapidairerie.

Ity fotodrafitrasa ity dia toerana iray hahafahan’ireo mpiantsehatra vatosoa, manodina sy mikirakira izany amin’ny alalan’ny fitaovana hapetraka eo anivon’izany Tranobe izany. Ankoatra ny fampiasana ireo fitaovam-panodinana vato, hisy ny fampiofanana omen’ny Ministera ireo mpiantsehatra, amin’ny alalan’ny Institut de Gemmologie de Madagascar, mba hahatonga ny asa tanan’izy ireo hanaraka ny lenta takian’ny fenitra iraisam-pirenena.

Nosafidiana manokana ny renivohitry ny Faritra Vakinankaratra hanorenana ity foto-drafitrasa ity noho izy toerana manan-karena vatosoa. Etsy andaniny ihany koa ny fisian’ireo mpiantsehatra maro eo amin’ny vatosoa, izay manam-piniavana hiroso amin’ny sehatra matihanina nefa tsy manam-pitaovana, raha ny nambaran’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA.

Paikady ny hampihenana ireo vato voatrandraka haondrana mbola tsy voahodina. Manan-tombo kokoa ny vato voahodina na amin’ny endrika ivarotana azy ary indrindra amin’ny sandany. Tombony amin’ny fisian’ity Atelier Communautaire de Lapidairerie ity ny fiakaran’ny vidin’ny vato rehefa voahodina ka mahazo ny endrika takian’ny fenitra iraisam-pirenena. Sary: Vaovao VIVA Madagascar 27/10/2020