FARITRA AMORON’I MANIA : FIDINANA IFOTONY NITONDRANA FANAMPIANA HO AN’NY VAHOAKA SY NIJERENA NY TAKAITRA VOKATRY NY RIVODOZA FREDDY

Ambositra- Fandriana, 25 Febroary 2023

Tsy mamela ho irery ireo mpiray  tanindrazana marefo vokatry ny fandalovan’ny rivodoza « Freddy » tao amin’ny Faritra Amoron’i Mania ny Fitondram-panjakana tarihan’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian, fa avy hatrany dia naniraka mpikambana roa eo anivon’ny Governemanta izay miahy ny Faritra dia ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier sy ny Minisitry ny angovo sy ny akoranafo ANDRIAMANAMPISOA Solo nijery imaso ny takaitra naterak’io loza voajanahary io sy nitondra ireo fanampiana vonjy ranovaky avy amin’ny fitondram-panjakana, no sady nitondra ny hafatra fampaherezana ho fiombonam-po amin’ireo marefo vokatry ny loza voajanahary.

Vary, voamaina, menaka, koveta, savony, tafo, jiro « cobra » : ampahany amin’ny fanampiana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika natolotra an’ireo mpiray tanindrazana marefo sy tra-pahasahiranana taorian’ny rivodoza ireo. Distrika roa dia Ambositra sy Fandriana no notsidihan’ireto mpikambana ao amin’ny Governemanta ireto androany Asabotsy 25 febroary 2023, notronin’ny Solombavambahoaka, Loholona, Governora sy ireo tomponandraikim-panjakana ao anatin’ny Faritra.

MMRS/DCRI – Février 2023