DIRMRS TOAMASINA : Fanombohana ny tantsoroka ho an’ny Vondrona mpitrandraka madinika ho an’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo

Natomboka amin’ny fomba ofisialy ny Zoma 3 Martsa 2023 tao Toamasina ny tantsoroka ho an’ny Vondrona Mpitrandraka Madinika avy amin’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo na « Encadrement des groupements des petits exploitants miniers ».

Vondrona mpitrandraka madinika miisa 3 avy amin’ny Faritra Atsinanana sy miisa 1 avy any amin’ny Faritra Analanjirofo no notolorana ny antontan-taratasy hahafahan’ireo mpikambana miasa ara-dalàna, nandritra ny lanonana izay notarihan’Andriamatoa VELONARIVO Pascal Clovis Tale Jeneraly misahana ny Loharanonkarena Stratejika, nisolo tena ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena Stratejika.

Politika ankapoben’ny Fanjakana ny hanaovana ho matihanina sy ara-dalàna ireo mpitrandraka madinika, ka ahatongavana amin’izay dia hanome tantsoroka ireo vondrona mpitrandraka madinika hiasa anaty Zone d’encadrement ny teknisianina eo anivon’ny Ministera amin’ireo Fitaleavana isam-paritra na iraisam-paritra, hanoro sy hanome toromarika ho azy ireo amin’ny lafiny ara-panjakana, ara tontolo iainana ary ny momba ny teknikam-pitrandrahana. Ho vahaolana manoloana ny zava-misy ankehitriny eo amin’ny sehatra harena an-kibon’ny tany ary ho fampidirana ny mpitrandraka madinika amin’ny ara-dalàna no anatanterahan’ny Ministera tomponandraikitra an’ izany anaty fampiharana ny lalàna manankery.  Manerana an’i Madagasikara no hanaovana izany tantsoroka izany.

Natolotra ireo Ben’ny Tanana isany avy amin’ny toerana fitrandrahana kosa ny « Arrêté ministériel » mikasika ny faritra natokana iasan’ireo vondrona mpitrandraka madinika ireo. Taorian’izay dia nitohy tamin’ny fanomezana fiofanana ireo mpikambana ny fotoana.

Nanotrona izany fotoana izany ireo manam-pahefana any an-toerana, nahitana an’Andriamatoa sy Ramatoa isany Sekretera Jeneraly ny Faritra Atsinanana, Préfet ny Fenerive-Est,  Sekretera Jeneraly ny Prefektioran’ny Toamasina,  ny Ben’ny Tanana ny Toamasina sy ireo olo-manankaja sivily sy miaramila. Isan’ny nasaina ary nandray anjara fitenenana mba hitondra fanazavana misimisy kokoa amin’ireo mpandray anjara moa ny Talem-paritry ny Hetra ao an-toerana.

Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra DIRMRS Toamasina

MMRS/DCRI – Mars 2023