Fandaharana LAZAO NY MARINA tao amin’ny TVM sy ny RNM ny Alakamisy 09 Martsa 2023

Fanazavana nentin’ny Minisitra RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanonkarena Stratejika momba ny fametrahana ny Zone d’encadrement pour les petits exploitants miniers et orpailleurs sy ireo tombontsoa azo avy amin’izany.

Tafiditra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana ny fanaovana matihanina ireo mpitrandraka madinika. Rehefa nojerena ny lalàna velona misy sy ny fomba ahafahana manatanteraka izany paikady izany dia misy ireo andinin-dalàna sy Didim-panjakana fampiharana mifanaraka amin’izany.

Fitsinjovan’ny Fitondram-panjakana manokana ny mpitrandraka madinika, hafahan’ireo vondrona mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika sy mpisivam-bolamena miasa ao anaty sehatra ara-dalàna no andraisana izao fepetra izao, nahazo ny fankatoavan’ny Filankevitry ny Minisitra tamin’ny 04 May 2022 izany ary efa nandeha nandritra ny volana maro.

Tantsoroko amin’ny lafiny maro no omen’ny Fanjakana ireo mpitrandraka madinika

Any amin’ny faritra manerana ny Nosy no ametrahana ireo Zones d’encadrement. Omena tantsoroka ireo mpitrandraka madinika : ampiana izy ireo amin’ny lafiny maro toy ny fanaovana antontan-taratasy isan-karazany amin’ny fananganana ny fikambanana na Association (encadrement administratif) – ny fomba fanaovana ny fitrandrahana (encadrement technique) – ny fahaiza-mitantana – ny fikajiana ny tontolo iainana.

Misy ireo fepetra takian’ny lalàna velona

Famaritana ny faritra itrandrahana : efamira tsy misy tompony, izany hoe tsy mbola misy manana fahazoan-dalana, efamira tsy tafiditra anaty faritra arovana no azo faritana ho Zone d’encadrement

Amafisina fa amin’ny maha-fitrandrahana madinika ny resaka, dia voafetran’ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany hoe amin’ny maha-mpitrandraka madinika azy ireo dia mijanona ao anaty maha-mpitrandraka madinika ny teknika ampiasaina (techniques artisanales).

Tsy azo atao ny mampiasa fitaovana vaventy toy ny bulldozer sy excavateur satria tsy fitrandrahana vaventy no atao.

Tanjona ny fanomezana Permis Réservé aux petits Exploitants (PRE) ho an’ireo vondrona mpitrandraka madinika miasa ao anaty Zone d’encadrement (tsy ho an’olon-tokana fa ho an’ny Vondrona)

Ny PRE dia voatokana ho an’ny teratany malagasy irery ihany : tsy orinasa fa olom-pirenena mpitrandraka madinika na Vondrona mpitrandraka madinika

Fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka :

Famoronana asa sy hampidirana ireo mpitrandraka madinika amin’ny sehatra ara-dalàna no tanjon’ny fametrahan’ny Fanjakana ny Zone d’encadrement

Efa maro ireo Faritra misitraka izany manerana ny Nosy, tamin’ny volana Janoary teo dia Fikambanana maherin’ny 150 no nisitraka izany encadrement izany. Mpikambana ao anatin’ireo vondrona mpitrandraka madinika manodidina ny 7000 no mpisitraka mivantana, fa ao anatin’ny asa fitrandrahana dia misy koa ireo asa hafa miforona manodidina izany toy ny fitaterana ireo vokatra, ny varotra sy famatsiana sakafo ireo mpitrandraka sns. Araka ny tatitra voaray avy amin’ireo mpitondra Fanjakana eny ifotony dia aman’aliny ny olona mahazo asa vokatr’izay encadrement des petits exploitants izay.

Fa ankoatran’ny famoronana asa maro dia voka-tsoa lehibe ny fihatsaran’ny fandriam-pahalemana any ambanivohitra satria miasa ny olona. Araka izany, samy mitatitra na ny vahoaka eny ifotony na ireo tomponandraiki-panjakana eny ifotony amin’ny fihenan’ny asan-dahalo na amin’ny faritra voasokajy ho Zone rouge aza.

Manasa anao hanaraka ireo fanazavan’Andriamatoa Minisitra ao anatin’ny Fandaharana manontolo.

Rohy : https://fb.watch/jqxJvE-747/

MMRS/DCRI – Mars 2023