ADY AMIN’NY FANDROBANA HAREM-PIRENENA : FITRANDRAHANA VOLAMENA TSY ARA-DALANA NAKATONA TAO AMIN’NY DISTRIKAN’I MAEVATANANA

Marokoro Maevatanàna, 17 Martsa 2023 – Nanatanteraka fidinana ifotony tany amin’ny Faritra Betsiboka ny delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika, notarihan’ny Sekretera Jeneraly, niaraka tamin’ny Fitaleavana iraisam-paritra DIRMRS Mahajanga sy BAM Maevatanàna.

Nandritra izany no nahatratrarana am-perinasa teratany vahiny mitrandraka volamena tsy ara-dalàna, mampiasa fitaovam-pitrandrahana vaventy tsy manana fahazoan-dalana ao amin’ny reniranon’i Kamoro, tao Madisovato, Kaominina Marokoro, Distrikan’i Maevatanàna.

Sambo « Drague à godets », « tapis » fanivanam-bolamena, solika, fitaovam-pitrandrahana vaventy no isan’ny fitaovana hita maso nampiasaina tany an-toerana.

Hita ihany koa ny fampiasan’izy ireo « mercure » amin’ny fitrandrahana volamena. Marihana fa helohin’ny lalàna ny fampiasana izany singa izany noho izy mitera-doza ho an’ny tontolo iainana sy ny fahasalamana.

Harem-pirenena tsy azo havaozina ny harena an-kibon’ny tany ka tsy azo ekena ny fandrobàna sy ny tsy fanarahan-dalàna toy izao. Nandray fepetra avy hatrany ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika, tamin’ny alalan’ireo Polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany na Police des Mines ka niroso tamin’ny fampitsaharana ny asa fitrandrahana, nanesorana ireo kojakoja mba tsy hahafahan’ny fitaovam-pitrandrahana mihodina intsony. Nogiazana taorian’izay ireo fitaovana nanaovan’izy ireo ny fitrandrahana.

Teratany sinoa miisa telo no nosamborina mba hanaovana famotorana sy fanadihadiana. Andrasana araka izany ny vokatry ny fanadihadiana, tanjona ny hahitana ireo tena tomponandraikitra sy atidoha ambadiky ny tambazotra fanondranana harem-pirenena antsokosoko.

Ankoatra ny tao Madisovato dia nisy toeram-pitrandrahana hafa, tao anatin’io kaominina io ihany, nahitana fitaovam-pitrandrahana vaventy ihany koa ka nogiazana.

Mazava ny paikadin’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika dia ny hirosoana hatrany amin’ny fanohizana ny fanaraha-maso sy ny fampanarahan-dalàna ireo mpisehatra, mba samy hisitraka tombony avy amin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany na ireo mpitrandraka sy mpandraharaha, na ireo mponina, na ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy ny Fanjakana foibe.

MMRS/DCRI – Mars 2023