Taorian’ny fankatoavana ny volavolan-dalàna fanitsiana ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao ny Alarobia faha-12 Aprily 2023, dia nitondra fanazavana momba ireo fanavaozana lehibe ao anatin’izany ny Minisitra RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety ny Zoma 14 Aprily 2023

Tsiahy

– Lalàna noraisina tamin’ny taona 1999 ary nohavaozina tamin’ny 2005 no mifehy ny harena an-kibon’ny tany manan-kery amin’izao fotoana izao. Misy lafiny maro efa lany andro ao anatin’izany

– Efa maro ny fiovana tao anatin’izay 18 taona izay ka ilaina fanavaozana ny Fehezandalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany mba hahafahana manatratra ireo tanjon’ny fampandrosoana an’i Madagasikara sy hampifanaraka izany amin’ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena

– Eo ihany koa ny fanatanterahana ny Velirano 10 momba ny fitantanana maharitra sy lovainjafy ny harena voajanahary, isan’izany ny harena an-kibon’ny tany izay harena voajanahary tsy azo havaozina

 Novolavolaina araka izany ny fanavaozana izany lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany izany, tao anatin’ny dingana maro fiaraha-midinika sy fakan-kevitra nahitana ny fandraisana anjaran’ireo mpisehatra isan-karazany sy mpiara-miombonantoka, ary nandalo ny dingana rehetra tokony lalovan’izany.

Dingana manaraka ny fampidirina izany volavolan-dalàna izany ho dinihana eo anivon’ny Antenimierampirenena mandritra ny fotoam-pivoriana volana Mey 2023 izao.

Santionany amin’ireo fanavaozana goavana ao anatin’ny Volavolan-dalàna no nazavain’Andriamatoa Minisitra:

–     Momba ny fahazoan-dalana hitrandraka (permis minier) : karazany, fomba ahazoana azy, haben’ny fari-pitrandrahana azo alaina, fe-potoana faharetany, ny gestion des ruées, sns.

– Fiscalité minière

– Fisintonana ny fampiasam-bola amin’ny harena an-kibon’ny tany

– Fametrahana ny Fonds Minier d’Investissement Social et Communautaire

– Fametrahana ny momba ny substances minières énergétiques

– Fampidirana ny Régime des carrières

– Fametrahana ny « Centrale de l’or »

– Fametrahana ny « Comptoir des pierres précieuses »

– Fampidirana fepetra manokana momba ny fanajana ny zon’olombelona sy ny fikajiana ny tontolo iainana

Ho zaraina amintsika eto amin’ny Pejy izany fanazavana nentin’Andriamatoa Minisitra izany, ka anombohana azy ny momba ireo fanavaozana manodidina ny Fahazoan-dalana hitrandraka na Permis minier.

MMRS/DCRI – Avril 2023