FARITRA VAKINANKARATRA : Tafapetraka amin’ny fomba ofisialy ny Talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika

Araka ny fanapahan-kevitra tao amin’ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 26 Aprily 2023, dia Andriamatoa RANIRINARIVAO Rindraniaina Sergio Ken, no voatendry ho Talem-paritra vaovao hitantana ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena stratejika DRMRS Vakinankaratra.

Tontosa soa aman-tsara ny Zoma faha 05 Mey 2023 lasa teo, tao amin’ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika ao Antsirabe, ny famindram-pitantanana niaraka tamin’ny Tale iraisam-paritra ao Analamanga, izay Tale mpisolo toerana teo aloha.

Nanatrika izany fotoana izany ary nametraka ity tomponandraikitra vaovao ity amin’ny fomba ofisialy Andriamatoa Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy Loharanonkarena Stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, niaraka tamin’ny Talen’ny Kabinetrany. Nanotrona izany koa ireo solontenam-panjakana ambony ao an-toerana izay notarihan’Andriamatoa Préfet an’ny tanàna Ambonivohitr’Antsirabe sy ireo lehiben’ny Tafika, Zandary sy Polisy ary ireo solontenan’ny mpisehatra eo amin’ny Harena an-kibon’ny tany eo an-toerana.

Fampitam-baovao : Talem-paritra DRMRS Vakinankaratra

MMRS/DCRI – Mai 2023