Fampiroboroboana ny fitrandrahana vaventy sy fanaovana ho matihanina ireo mpisehatra madinika »
Mitaky fanavaozana ny lalàna ny fanatrarana ny Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA amin’ny alalan’izany Politika ankapoben’ny Fanjakana momba ny sehatra harena an-kibon’ny tany izany, hoy ny Ministry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza.
Raha ny zava-misy ankehitriny dia lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany efa tamin’ny taona 2005 no mbola ampiasaina sy manan-kery mandrak’izao, hany ka tsy mifanaraka amin’ny toe-java-misy eto an-toerana sy maneran-tany intsony izany.
« Ho firosoana amin’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany dia nisy ireo fakan-kevitra sy atrikasa niarahana tamina vondron-kery isan-karazany na teto an-drenivohitra na tany amin’ireo Faritra 23, mialohan’ny nankatoavan’ny Filankevitry ny Minisitra azy ho volavolan-dalàna sy mialohan’ny nahatongavany teny anivon’ny Antenimierampirenena », raha ny nampahatsiahivin’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier.
Teboka isan’ny nitondrana fanavaozana :
– ny fampitomboana ny taha fandraisan’anjaran’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany amin’ny arikarena faobe : raha 2 % ny haba sy hetra teo aloha izay hita fa kely mitaha amin’ny firenena hafa, dia nakarina ho 5 % izany,
– ny fanamafisana ny fepetra hiarovana ny tontolo iainana,
ny fametrahana ny « Fond minier d’investissement Social et Communautaire »,
– ny tsy maintsy hanaovan’ireo orinasa tamberin’andraikitra ara-tsosialy,
– ny fanomezan-danja ireo vondrom-bahoakam-paritra amin’ny fanaraha-maso na fandraisana anjara amin’ny fandraisana tamberim-bidy.
-Ankoatr’izay, eo ihany koa ny fanomezan-danja ireo toerana misy hasiny mba tsy hisian’ny fanimbazimbana.
-Nisy ny fampihenana ny velarana mahakasika ireo karazana fahazoan-dalana: 5.000 km2 ho an’ny fikarohana raha 10.000 km2 izany teo aloha, 1000 km2 ny velarana azo alaina ho an’ny fitrandrahana saingy nahena ho 500 km2 izany ary farany ho an’ireo mpisehatra teratany dia niova ho 50 kilaometatra toradroa ny velarana voatokana ho azy ireo raha toa ka 1.000 kilaometatra toradroa izany teo aloha.
Nirindra ny fizotry ny adihevitra nataon’ny asam-baomiera nandinihana ireo fanavaozana nentina ho an’ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany izay naharitra hateloana teny anivon’ny Antenimieram-pirenena niarahan’ny Vaomieran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny Ministera ary natrehan’ireo Solombavambahoaka, ireo mpisehatra vaventy sy teratany, ny Mpampianatra Mpikaroka,ireo manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ny fiarahamonim-pirenena izay nanomboka ny Alatsinainy 08 May 2023, raha ny nambaran’ny Filohan’ny Vaomieran’ny harena an-kibon’ny tany eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, ny Solombavambahoaka Mohamad Ahmad.
Mbola handalo ny fankatoavan’ny Solombavambahoaka sy ny Loholona moa ity volavolan-dalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany ity ny Alakamisy 11 sy Zoma 12 May 2023 raha ny fandaharam-potoan’ny fivoriana izay hatrehan’izy ireo.
» Fampiroboroboana ny fitrandrahana vaventy sy fanaovana ho matihanina ireo mpisehatra madinika »