Akom-baovao Faritra Alaotra Mangoro : Fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharonkarena stratejika DRMRS vaovao

ny harena an-kibon’ny tany sy loharanonkarena stratejika DRMRS Alaotra Mangoro nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 10 May 2023 teo.

Notanterahana ny Zoma faha 19 may 2023, tao amin’ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika ao Ambatondrazaka, ny famindram-pitantanana avy amin’Andriamatoa RALIDERA Tsiry Antenaina, Tale mpisolo toerana teo aloha sy fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Talem-paritra vaovao.

Solon-tena avy any anivon’ny minisitera foibe izay notarihan’Andriamatoa RAZANANIRINA Henri Délice Sekretera Jeneralin’ny ministeran’ ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika no tonga nanome voninahitra izany fotoana izany. Nanotrona izany ihany koa ireo solontenam-panjakana ambony sivily sy miaramila ao an-toerana izay notarihan’Andriamatoa Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro sy ireo solontenan’ny mpisehatra eo amin’ny harena an-kibon’ny tany eo an-toerana.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Alaotra Mangoro

MMRS/DCRI – Mai 2023