ANJOZOROBE : ATRIKASA FAMPAHAFANTARANA SY FAKAN-KEVITRA TENY IFOTONY HO FANATSARANA NY LALANA MIFEHY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

Tonga nanatanteraka atrikasa teny ifotony, niara-nidinika tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao anatin’ny Distrikan’Anjozorobe, ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA sy ireo mpiara-miasa aminy, ny Talata 24 Novambra 2020. Nanatrika sy nandray anjara mavitrika tamin’izany ireo tomponandraikim-panjakana isan-tsokajiny tany an-toerana, notarihan’ny Lehiben’ny Distrika Anjozorobe, ireo Ben’ny Tanàna sy Filankevitra Kaominaly avy amin’ireo Kaominina 19 mandrafitra ny Distrika, ary ireo avy amin’ny Sampandraharaham-panjakana any an-toerana.

Toerana anisan’ny manankarena harena an-kibon’ny tany ny Distrikan’Anjozorobe saingy, hatreto, mbola tsy misitraka ny tombontsoa azo avy amin’izany ny rehetra. Fatiantoka ho an’ny firenena sy ireo kaominina ny tsy fisian’ny tamberim-bidy miditra ao anaty kitapom-bolan’izy ireo, noho ny fisian’ny lesoka sy ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Ho fiatrehana izany olana izany indrindra no hirosoan’ny Fanjakana ankehitriny amin’ny fanatsarana ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany hita fa misy tsy fahatomombanana, efa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy, ary indrindra mba hanamorana ny fanatrarana ireo vina nosoritana mahakasika ny sehatra harena an-kibon’ny tany.

Hentitra ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA fa ny tombontsoa iraisana no imasoana ao anatin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany fa tsy tombontsoan’olom-bitsy; ny Fanjakana rahateo dia tsy mihemotra ho fikatsahana izany. Ny fakan-kevitra natao teny ifotony dia manamafy ny petra-kevitra ny amin’ny hanatsaràna sy hanavaozana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ary nahafahana mahafantatra ireo olana eny an-toerana ka hampifanaraka ny fepetra raisina manoloana izany.

Isan’ny nivoitra tamin’io dinikasa io fa manana andraikitra lehibe, ireo vondrom-bahoakam-paritra, indrindra ireo Ben’ny Tanàna, amin’ny lafiny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany. Manoloana izany, fampahafantarana ireo anjara andraikitra manandrify izay ao anatin’ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, fakàna ny soso-kevitr’izy ireo hahafahana manatsara ny lalam-pihariana eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany no lahadinika niompanan’ny fifanakalozana.

Velom-pisaorana araka izany ny Lehiben’ny Distrika Anjozorobe, izay naneho ny fahavononany hiara-miasa, mba hanatrarana ny tanjona iraisana. Torak’izany koa ireo Ben’ny Tanàna, izay samy resy lahatra fa fototry ny fampandrosoana ny fari-piadidian’izy ireo ny harena an-kibon’ny tany, nefa talohan’izao dia tsy nahafantatra izay anjara andraikitra sy ny zon’ireo kaominina manoloana izany izy ireo.