AKOM-BAOVAO DRMRS MENABE : Fiaraha-miasa amin’ny mpitandron’ny filaminana sy ny Koperativa fitaterana momba ny fampanarahan-dalàna ny fitaterana harena an-kibon’ny tany

Toyny fanaon’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika Menabe isan-taona dia nisy ny  atrikasa fampiofanana  ireo zandary, « Régisseurs » sy ireo tompon’andraikitra amin’ny Koperativa fitaterana misy any an-toerana. Notanterahana ny Zoma faha-26 May 2023 teo izany, tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Malaimbandy, Distrikan’i Mahabo.  Andriamatoa Talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy loharanon-karena stratejika DRMRS Menabe sy ireo mpiara-miasa aminy no nanatontosa izany.

Tonga nanome voninahitra an’izany Ramatoa lefitra voalohany Lehiben’ny Distrika Mahabo, notronin’Andriamatoa Ben’ny Tanàna, ny kaomandin’ny « Peloton CSAO » na Centre Special d’Aguerrissement Opérationnel » sy ny Kaomandin’ny « Brigade » ny Zandarimariam-pirenena ao Malaimbandy.

 Nosafidiana manokana io Kaominina io satria ankoatr’ireo vokatry ny harena an-kibon’ny tany avy ao amin’ny Faritra Menabe, dia mandalo ao koa ireo vokatra sasany avy amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, Matsiatra Ambony, Amoron’ny Mania. Nohazavaina nandritra izany ireo karazana antontan-taratasy ilaina aminy fivezivezin’ny vokatry ny harena an-kibon’ny tany, ireo andinin-dalàna mifehy azy ary ireo sazy mifandraika amin’izany.

Nohazavaina manokana koa ny mikasika ny fikambanan’ny mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika sy ireo antonta-taratasy ilaina ahafahan’izy ireo mitrandraka sy mitondra vokatra mivezivezy. Nozaraina « brochures » mahakasika izany koa ireo nanatrika ny fiofanana rehetra.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Menabe

MMRS/DCRI – Mai 2023