FARITRA ANALANJIROFO : FIDINANA IFOTONY MIALOHAN’NY FANAVAOZANA NY PRE

Notontosain’ny komity misahana ny fanavaozana ny PRE ny faha 14 Jona hatramin’ny 23 Jona 2023 lasa teo ny fidinana ifotony nitsirihana ny toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany tao amin’ny Faritra Analanjirofo, izay nahitana ny solotenan’ny avy any amin’ny Kabinetran’ny Minisitera foibe, ny DPDRS, ny DIRMRS Toamasina ary ny BCMM Toamasina.  Izao fidinana ifotony izao dia isan’ny fepetra tsy maintsy lalovana mialoha ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hitrandraka,  hijerena imaso ny zava-misy any an-toerana.

Toeram-pitrandrahana tao amin’ny kaominina Mananara Avaratra, Kaominina Manambolosy sy Anandrivola, Kaominina Rantabe izay voakasiky ny fahazoan-dalana ho an’ny mpitrandraka teratany PRE miisa 4 no nitsidihana tamin’izany.  Ao anatin’ny Distirika Maroantsetra sy Mananara Avaratra avy no ahitana ireo toeram-pitrandrahana ireo.

 Nisy ny fitsidihana ireo Lehiben’ny Distrika sy ny Ben’ny tanana isan- tokony tamin’ny fomba fanajana amin’ny maha olobe ny tanana azy ireo ho fanazavana ny antony izao  fidinana  hifotony izao.

Mirary ny hanafainganana ny fahazoana ny fanavaozana ny Permis minier moa ireo tompony ireo mba ahafahan’izy ireo miverina miasa ara-dalana.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DIRMRS Toamasina