FARITRA ANALAMANGA, ITASY ARY BONGOLAVA : FIVORIANA NIARAHANA TAMIN’IREO FILOHAN’NY FIKAMBANAN’NY MPITRANDRAKA MADINIKA SY MPANIVANA VOLAMENA

Taorian’ny fidinana ifotony izay nanaovana fanadihadiana sy tombana ireo toerana nametrahana « Zone d’Encadrement » ho an’ny mpitrandraka madinika ato amin’ny Faritra Analamanaga, Itasy ary Bongolava, dia nisy ny fivoriana izay natao teo anivon’ny Biraon’ny Fitaleavana Iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika Antananarivo, niarahana tamin’ireo Filohan’ny Fikambanan’ny Mpitrandraka madinika.

Noresahina nandritra ny fivoriana ny fisian’ny Naoty izay milaza ireo atontan-taratasy rehetra ilaina entina hamadihana ireo “Zone d’Encadrement” izay mahafeno ny fepetra ho “Permis Réservé aux Petits Exploitants Miniers”.  Nazavaina ihany koa ireo dingana izay tsy maintsy arahina amin’ny fahazoana misitraka izany PRE izany : fangatahana izay atao eo anivon’ny BCMM, fandoavana ny saran’ny fangatahana, famenoana ireo atontan-taratasy rehetra izay ilaina amin’izany.

Noentanina nandritra izany ireo Filohan’ny Fikambanan’ny Mpitrandraka madinika, mba hikarakara sahady ireo atontan-taratasy rehetra izay efa afaka omanina mialoha, entina hanatanterahana izany famadihana ny ZE ho lasa PRE izany.

Fampitam-baovao sy Sary : Tale Iraisam-paritra Antananarivo (DIRA)

MMRS/DCRI – Août 2023