TAHIRIM-BOLAMENAN’I MADAGASIKARA : FANAVAOZANA FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA EO AMIN’NY BANKY FOIBEN’I MADAGASIKARA SY NY MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY
Tontosa androany Zoma 11 Aogositra 2023 teny Antaninarenina ny fanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao eo amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara sy ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika amin’ny fividianana volamena hatao tahirim-bolamena.
Fanamby napetraky ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny hametrahana tahirim-bolamena ho an’i Madagasikara ary efa tafapetraka moa izany. Mikasika izay indrindra dia volamena 1 taonina isam-bolana no kendren’ny avy eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara hovidiana sy hangonina ka ho avadika ho amin’izany tahirim-bolamena izany.
Voafaritra mazava tsara ny andraikitra manandrify ny Ministera sy ny Banky Foiben’i Madagasikara ao anatin’io fifanaraham-piaraha-miasa nohavaozina io, saingy tsy manakana ny roa tonta tsy hifanome tanana akory izany hahatrarana ny tanjona.
Miainga avy any amin’ny fitrandrahana ka hatreo amin’ny fahatongavan’ny volamena eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara, no anjara asan’ny Ministera raha ny nambaran’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier. Nohamafisiny anefa fa manana anjara andraikitra koa ny mpisehatra na ny eny ifotony na ireo hamarotra amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara ao anatin’ny fanarahan-dalàna. Eo ihany koa ireo fepetra hafa takiana toa ny fanajana ny tontolo iainana, ny maha-olona ary ny tsy fampiasana akora simika.
Mila mazava ny fitsipi-dalao, mitaky fanajana fenitra sy fepetra ny fahafahan’ny Banky Foiben’i Madagasikara miroso amin’ny dingana manaraka indray amin’ny fividianana sy fanondranana volamena. Nambaran’ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara Aivo Handriatiana ANDRIANARIVELO fa anisan’ny fepetra takiana afahana mandray, manondrana ary mamadika ny volamena ho lasa tahirim-bolamena na « or monétaire » ny resaka kalitao, ny fiavian’ny volamena, ny fandoavana haba sy hetra. Tanjona, hoy hatrany izy, ny hampatanjaka ny tahirim-bola eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara.
MMRS/DCRI – Août 2023