FIARAHA-MIASA MOMBA NY FIKIRAKIRANA VATOSOA SY VATO SAROBIDY : Fitsidihana niarahan’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny Masoivoho iranianina tany Antsirabe

Ho tohin’ny fihaonana teo amin’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier sy ny Masoivoho Repoblika Islamikan’i Iran miasa eto Madagasikara HASSAN Ali Bakhshi, niresahana momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, dia nanatanteraka fidinana ifotony tany Antsirabe izy ireo ny faran’ny herinandro teo.

Ao amin’ny renivohitry ny Faritra Vakinankaratra, izay manana ny lazany amin’ny resaka vatosoa, no nametrahana voalohany ny Tranobe iombonana hanodinana vatosoa na ny « Atelier communautaire de lapidairerie » eto Madagasikara « Hojerena ny fampitaovana io Tranobe iombonana hanodinana vatosoa io, ny fampiofanana ireo mpisehatra amin’ny fikirakirana vato mba ho matihanina izy ireo amin’ny asa atao ary hamaly ny lenta takian’ny tsena iraisam-pirenena ny vato aodina avy eto an-toerana ». , raha ny nambaran’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika.

 Ity Atelier communautaire de lapidairerie ity moa dia toerana iray hahafahan’ireo mpiantsehatra manodina sy mikirakira vatosoa amin’ny alalan’ny fitaovana hapetraka eo anivon’izany fotodrafitrasa izany, ho fanampiana ireo mpandraharaha vatosoa maro izay manam-piniavana hiroso amin’ny sehatra matihanina nefa tsy manam-pitaovana. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika rahateo ny tetikasa toa izao, dia ny hampananana asa mendrika ho an’ny rehetra.

Taorian’ny fitsidihana ny Tranobe iombonana hanodinana vatosoa teny Vatofotsy dia nihaona mivantana sy nifanakalo hevitra tamin’ireo mpandraharaha vatosoa tao amin’ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny harena an- kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika ao Vakinankaratra ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika sy ny Masoivohon’ny Repoblika Islamikan’ i Iran. Fitsidihana toerana fikirakirana sy fanodinana ary toeram-pivarotana vatosoa no namaranana ity fidinana ifotony tao Antsirabe ity.

MMRS/DCRI – Août 2023