SEHA-PIHARIANA VOLAMENA

Fidinana ifotony niarahan’ny Ministera tomponandraikitra sy ny Banky Foiben’i Madagasikara tany Mananjary sy Vohilava

Tontosa soa aman-tsara ny fidinana ifotony tao Mananjary sy Vohilava, niarahan’ny DRMRS Vatovavy sy Fitovinany, ny ANOR ary ireo tomponandraikitra ao amin’ny Banky Foibe notarihin’Andriamatoa Goverinoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, izay natao ny 17 sy 18 Aogositra 2023 

Notanterahana tamin’izany ny fitsidihana ireo manam-pahefana tao Mananjary, ary nisy koa fitsidihana orinasa iray mpitrandraka volamena, nitohy tamin’ny fivoriana niarahana tamin’ireo collecteurs volamena tao Mananjary moa izany.

Ny Andro faharoa dia nisy ny fidinana ifotony tany Vohilava, nifampidinihana tamin’ireo solon-tenan’ny mpanivana sy mpanangona ary ireo Manampahefana ifotony , ireo Ben’ny tanàna sy Filohan’ny Fokontany.

Tanjona tamin’izao fidinana niarahana izao moa dia ny fanentanana ny olona hiditra amin’ny ara-dalana ary indrindra tafiditra amin’ny fanomanana sy fametrahana paik’ady ny amin’ny fametrahana ny Tahirim-bolamenam-pirenena ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Vatovavy sy Fitovinany

MMRS/DCRI – Août 2023