FANANGANAN-TSAINA MMRS : Nomen-danja manokana ny fanatanjahantena, nankasitraka ireo tompondaka sy mpandray anjara rehetra tamin’ny ASIEF ny Minisitra

Ampandrianomby, 04 Septambra 2023- Nanao famintinana ireo vokatra ny Lalaon’ny Nosy sy ny Fifaninana ASIEF ary ireo asa vita sy ny an-dalam-pamitana eo anivon’ny Ministera iandraiketany ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier androany Alatsinainy 04 Septambra 2023 tao anatin’ny lanonana fanangan-tsaina fanao isam-bolana toa izao.

Ho an’ny fifaninana ara-panatanjahan-tena iraisan’ny mpiasam-panjakana na ny ASIEF dia nanolotra Mari-pakansitrahana sy fanampiana ara-bola ho fandraisan-tanana sy famporisihana ireo solotenan’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika nandrombaka medaly ny Minisitra.

 Momba ny asan’ny Ministera, efa miodina tsikelikely, manaraka an’ireo fanatsarana sy fanavaozana nentina ireo sampan-draharaha sy ratsamangaika eo anivon’ny Ministera, amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana ny firenena tarihan’ny Filohan’ny Repoblika, miainga avy amin’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika.