FARITRA MENABE : Fanaraha-maso ara-tontolo iainana tao amin’ny toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany tao Ankilizato Mahabo

Ny alakamisy faha 21 ny volana septambra 2023 dia nisy ny fidinana ifotony tao amin’ny toeram-pitrandrahana gypse, an’ny orinasa mpamokatra simenitra, tao amin’ny Kaominina Ambanivohitry ANKILIZATO, Distrikan’ i MAHABO.

Nanatanteraka izany ny teo anivon’ny fitaleavam-paritra ny Harena an-Kibon’ny Tany sy ny Loharanon-Karena Stratejika MENABE. Izany no natao mba ho fanaraha-maso ny fandehanan’ny asa fitrandrahana sy fijerena ireo izay mety ho fandikan-dalana momba ny harena an-kibon’ny Tany raha misy izany.

Nararaotina koa izany fotoana izany nampahafantarana ireo tompon’ny fahazoan-dalana sy ireo mpitrandraka artizanaly ny fisian’ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny Tany vaovaoka natsidika tamin’izany ireo fanovàna no entina. Teo ihany koa ny fanampiana ara-teknika ireo mpitrandraka izay miisa 50 eo ho eo hita teo amin’ny toeram-pitrandrahana mba hahafahan’izy ireo manatsara ny asa izay ataony. Nohamafisina tamin’ izy ireo koa ny tokony hikajiana hatrany ny tontolo iainana.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Menabe