Faritra Amoron’i Mania : fidinana ifotony tany amin’ny Distrikan’i Manandriana, niarahan’ireo Minisitra mirahalahy mpiahy ny Faritra

Nidina ifotony sy nihaona tamin’ireo vahoaka tany amin’ny Distrikan’i Manandriana, Faritra Amoron’i Mania araka ny maha-Minisitra mpiahy ny Faritra azy ireo ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanokarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier niaraka tamin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Solo ANDRIAMANAMPISOA, ny faha-07 Oktobra 2023

Ireo Minisitra mirahalahy mpiahy ny Faritra Amoron’i Mania, araka izany, no nisolo tena ny Fitondram-panjakana nandritra ireo hetsika notanterahana tany amin’ny Distrikan’i Manandriana ity, toy ny :

  • Fanolorana ny Biraon’ny Fitaleavam-paritry ny ny Ministeran’ny Mponina ho an’ny DRPPSF Amoron’i Mania
  • Fizaràna kara-tany tany Ambatomarina

-Fizarana fanohizana ny Tosika Fihariana sy Fitsidihana ny Hopitaly Manara-penitra tao Ambovombe Centre