ADY AMIN’NY FAMPIASANA ANKIZY AMIN’NY MICA – BETROKA FARITRA ANOSY

Ho fanohizana ny ady amin’ny fampiasana ankizy anaty fitrandrahana mica ao amin’ny Faritra Anosy, dia niara-niombona ny UNICEF sy ny Terres des Hommes ary ireo mpiara-miombona antoka rehetra nanangana ny Tetikasa FAMAHA (Fampiasana Ankizy amin’ny Mica, Aoka HAtsahatra) tao amin’ny Distrikan’i Betroka nanomboka ny taona 2021.

Ny talata 17 Oktobra 2023 dia nisy araka izany ny atrikasa izay notanterahana, niarahana tamin’ny Komity Rezionaly ho amin’ny Ady amin’ny fampiasana Ankizy (CRLTE) Anosy. Nitarika an’izany ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Mponina, iarahana amin’ireo mpisehatra rehetra eny ifotony sy avy any amin’ny Faritra Anosy ary avy any Antananarivo, nandrafitra ny Paikady Ifotony izay hampiharina anaty fohy ezaka, hatramin’ny lavitra ezaka ho famongorana izay fampiasana ankizy amin’ny mica izany.

Maro ny asa efa vita niarahana tamin’ny Tetikasa FAMAHA, ary maro koa no mbola tokony hotohizana sy atomboka. Ny tanjona moa dia ny hahatonga ny asa Mica hahavelona ny mpiasa mba hahatonga azy ireo hamela malalaka ny ankizy, tsy hanampy azy ireo amin’ny asa Mica fa hisitraka kosa ny zony toy ny fahafahana mianatra, misakafo sahaza, mahazo fitsaboana, sy ny maro hafa.

Ny 14 hatramin’ny 16 Oktobra 2023 dia nisy ny fidinana ifotony teny amin’ny Fokontany Tatabe, Ankaroka ary Benato izay ao anatin’ny Kaominina Ianabinda sy Benato, Distrikan’i Betroka.

Nandray anjara tamin’izany hetsika rehetra izany ny avy eo amin’ny Direction Régionale MMRS Anosy notarihan’ny Talem-paritra, ary koa ny Tale DGAM avy any Antananarivo.

Fampitam-baovao sy sary : Directeur de la Gestion des Activités Minières (MMRS/DGAM)