FITRANDRAHANA HARENA AN-KIBON’ NY TANY TOMPONANDRAIKITRA, MITANDRO NY ZON’OLOMBELONA SY NY ZON’NY ANKIZY

Notanterahana ny 23-27 oktobra 2023 tao Ampefy ny atrikasa fandrafetana ny ‘’Code de conduite’’ sy ny drafitry ny ‘’Arrêté interministeriel’’ ary ny ‘’Guide d’implementation ny code de conduite’’ ho an’ny mpiantsehatra rehetra voakasiky ny asa fikarohana, fitrandrahana,fitaterana, fanodinana, fivarotana,fanondranana harena an-kibon’ny tany.

Atrikasa izay niarahana tamin’ny Ministeran’ny asa sy PACT Madagascar, ho fanohizana ny ady atao amin’ny fampiasana zaza sy ho fiarovana ny zon’ny mpiasa. Ity fiaraha-miasa amin’ny PACT Madagascar ity dia tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa MADAGASCAR SHINES izay anisan’ny tetikasa ho ao anatin’ny ‘’Plan d’Action Conjointe ‘’hiarahan’ny Ministera misahana ny harena an-kibon’ny tany, ny Ministera misahana ny Asa ary ny Ministera misahana ny Mponina, ho amin’ny ady amin’ny fampiasana zaza any amin’ny sehatr’asa mikasika ny eladrano any amin’ny Faritra Anosy.

Ity ‘’Code de conduite’’ novolavolaina ity kosa dia natao indrindra hahasahana ny sehatr’asa harena ankibon’ny tany rehetra manerana an’i Madagasikara.

Fampitam-baovao sy sary : DRES