FAMBOLEN-KAZO TSINJONY AMPANGABE

Vinan’ny Fitondram-panjakana ny hamerenana an’i Madagasikara ho Nosy maitso. « Mamboly hazo tia Tanindrazana, mandoro ala mandoro Tanindrazana » lohahevitra ho an’ny taom-pambolen-kazo taona 2021, izay nosokafan’ny Filoham-pirenena tany Taolagnaro ny 19 janoary 2021 lasa teo.

Ny Zoma 29 Janoary 2021 dia nanatontosa fambolen-kazo ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika foibe sy ireo ratsamangaika ao aminy ary ireo mpiaramiombon’antoka. « Madagasikara rakotra ala no tanjona », ka zanakazo 7000 fototra nahitana Oliva sy Acacia no nifandrimbonan’ny rehetra novolena tamin’izany tao amin’ny Fokontany Tsinjony Ampangabe, Kaominina Behenjy. Toerana izay efa nanatanterahan’ny OMNIS fambolen-kazo mandritra ny taona nifandimby, ka 31,5Ha no velarantany efa voavoly hazo hatramin’izay.

Sary izay heverina matetika ny hoe manimba ny tontolo iainana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, saingy nasehon’ny fianakaviamben’ny Ministera an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika androany teny Tsinjony Ampangabe fa mandray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ity sehatra ity, mba ho an’ny taranaka aoriana, hoy ny Minisitra Fidiniavo RAVOKATRA. Nankasitrahany ny fiaraha-mientan’ny mpiara-miasa sy ireo rehetra nifanome tanana, fa namporisihany sy nentaniny ihany koa ny mpiray Tanindrazana hanatanteraka ny adidiny ho amin’izay fambolen-kazo izay, hahatrarana ny vina ho an’ ity taona ity.

Hifanome tanana amin’ny fanaraha-maso sy fikajiana ireo hazo novolena toy ny hatrizay ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny OMNIS ary ireo vahoaka eny ifotony. Mahavelom-bolo ny fitombon’ireo hazo novolena tamin’ireo taona teo aloha vokatr’izay fanaraha-maso izay.