TAFATSANGANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY VONDRONA IFAMPIRESAHANA EO AMIN’NY ORINASA QMM SA SY NY FANJAKANA MALAGASY ARY TONTOSA SOA AMAN-TSARA NY FIVORIANA VOALOHANY

Ny Convention d’Etablissement no mifehy ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny orinasa QMM SA sy ny Fanjakana malagasy. Madiva ho tapitra amin’ny 18 febroary 2023 ny fe-potoan’izany fifanarahana izany ka, araka izay voafaritra dia mila mamerina fifampidinihana 24 volana mialoha ny hifaranan’io daty voatondro io ny orinasa QMM sy ny Fanjakana malagasy mahakasika ny resaka hetra sy fadin-tseranana izay mifehy azy.

Tapaka nandrindra ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 10 Febroary 2021 ny hananganana Vondrona ifampiresahana eo amin’ny orinasa QMM SA sy ny Fanjakana malagasy, manodidina indrindra io fifanekem-piaraha-miasa io. Ankoatra fandinihana ny resaka hetra sy fadin-tseranana, dia hisy ihany koa fijerena ireo lafin-javatra hafa mahakasika ny fanatanterahana sy fampandehanana ny tetikasa sy ny tohin’izay mety ho endriky ny fiaraha-miasa amin’ny QMM SA sy ny Fanjakana malagasy.

Araka izany, ity Vondrona ifampiresahana na Groupe de discussion ity dia,hiasa eo ambany fitarihan’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA ary hahitana ireo avy amin’ireo Ministera sy Sampandraharam-panjakana hafa voakasik’io tetikasa io sy solontena avy amin’ny ankolafin’ny orinasa QMM SA. Marihina fa nisy ihany koa tompon’andraikitra avy amin’ny Rio Tinto Canada nanatrika ity fivoriana androany ity tamin’ny alalan’ny « visioconférence ».

Taorian’ny fivoriana fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny Vondrona ifampiresahana dia nisy avy hatrany fivoriana niarahan’ny avy eo anivon’ny QMM SA sy ireo mpitarika isan-tokony misolo tena ny Fanjakana malagasy. Harafitra tsy ho ela moa ny drafitra hanatanterahana ny asa.