FANKALAZANA NY 8 MARTSA 2021

« Vehivavy mizaka tena sy miarin-doha anaty tontolo iainana mirindra ho amin’ny fampandrosoana lovain-jafy ». Io no teny filamatra nentina nankalazaina ny andron’ny 8 Martsa 2021.

Hetsika maro no nanamarihana sy nankalazana izany manerana ny Nosy nandritra ny andro maromaro, ary nandray anjara mavitrika tamin’izany hatrany ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Sampandraharaham-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika toy ny tany Fianarantsoa, Alaotra Mangoro, Menabe, Antsiranana, Analamanga ary Toamasina.

Tsy diso anjara tamin’izany fankalazana izany Ramatoa vadin’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika, izay nandray anjara feno sy am-pitiavana tamin’ireo hetsika notontosaina nandritra ny ivon’ny fankalazana izany Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny Vehivavy izany. Tany Antsiranana no nanatanterahana izany fankalazana ofisialy izany ary notarihan’ny Filoham-pirenena mivady sy ireo mpiara-dia aminy. Atrikasa narahana adihevitra nifototra amin’ny resaka tontolo iainana, fambolen-kazo honko (mangrove) lahy sy vavy tao Sakaramy, Lac Mahery kosa no nifarimbonan’ny rehetra ny andron’ny 8 Martsa, teo ambany fitarihan-dRamatoa vadin’ny Filoham-pirenena Mialy RAJOELINA. Nandray anjara tamin’izany ireo vehivavy Minisitra, Solombavambahoaka, tomponandraikitra eny ifotony ary ny vadin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta. Nisy ihany koa ny fanolorana ny Gallodrome sy ny Tranoben’ny serasera sy ny Kolontsaina nataon’ny Filoham-pirenena mivady.

Ankoatr’izay, fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, fambolen-kazo sy fambolena voninkazo ary zana-kazo fihinam-boa, atrikasa sy adihevitra, fizaham-pahasalamana maimaim-poana no isan’ny hetsika tanteraka nandritra izany Fankalazana maro miantoana izany.