Inauguration CEG Soavinimerina

Ny fianarana no lova tsara indrindra

Nahazo Trano Sekoly vaovao, ho an’ny zana-bahoaka eo amin’ny Fokontany Soavinimerina sy ny Fokontany valo manodidina, ny CEG Soavinimerina ao amin’ny Kaominina Mahitsy, Distrika Ambohidratrimo. Ny Fianakaviana Dadahoela sy Mamabako, ray aman-drenin’ Andriamatoa Fidiniavo RAVOKATRA no nanangana izany fotodrafitrasa izany.

Natolotr’Andriamatoa Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika, nisolo tena ny Fianakaviana, an-dRamatoa Minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny 11 Martsa 2021, ireo fanalahidy ho mariky ny fanolorana ny Trano Sekoly vaovao ho an’ny Fanjakana. Nanambara izy fa ho famaliana ny antson’ny Filoham-pirenena Andriamatoa Andry RAJOELINA, araka ny fanentanana hoe “Eo amin’ny toerana izay misy anao dia ataovy izay azon’ny tananao atao, ahafahana mampandroso ny firenena” no nandraisan’ny Fianakaviana Dadahoela sy Mamabako anjara biriky amin’izany fampandrosoana izany. Araka izany, aoka tsy hiandry ny Fitondram-panjakana foana isika fa amin’izay azontsika atao dia tanterahina izany, hoy hatrany ny Minisitra Fidiniavo RAVOKATRA.

Naneho fisaorana ny amin’ny fiaraha-mientana amin’ny fanatratrarana ny vina sy ny Veliranon’ny Filoham-pirenena Ramatoa Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Dr SAHONDRARIMALALA Marie Michelle, raha nandray fitenenana. Ny Fitondram-panjakana rahateo dia manao laharam-pahamehana ny fanabeazana, araka ny Velirano faha-4. Porofon’izany, nanolotra seza sy latabatra, Rakibolana sy boky fianarana ho an’ny mpianatra ao amin’ny Kilasy faha-9 an’ity CEG Soavinimerina Mahitsy ity ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

Nanamafy izany fiaraha-mientana izany ny fifanotronan’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny tamin’ny lanonam-pitokanana : ny Loholon’i Madagasikara Andriamatoa RAMANAMBINTANA Richard, ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Ambohidratrimo Andriamatoa RAKOTOARISOA Johnny, Ramatoa Mpanolotsaina Teknika an’ny Praiminisitra izay nisolo tena azy, ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Mahitsy sy ireo manam-pahefana eny ifotony.