FANAMPIM-PANAZAVANA MAHAKASIKA NY FANAFOANANA NY INSTITUT DE GEMMOLOGIE DE MADAGASCAR

Araka ny tapaky ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 28 Aprily 2021 dia nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny Institut de Gemmologie de Madagascar (IGM) sy ny drafi-pandaminana izay ho enti-manatanteraka izany. Izany fanapahan-kevitra izany dia ho tohin’ny fanapahan-kevitry ny Filankevitry ny Minisitra ny faha-10 Martsa 2021, nankatoavana ny didim-panjakana manangana sy mametraka ny sata mifehy ny Bureau de Géologie et de Gemmologie de Madagascar.

Nihaona tamin’ireo mpiasa sy niresaka tamin’ireo mpiofana tao amin’ny foiben’ny Institut de Gemmologie de Madagascar, ary nitondra fanazavana momba izany ny Minisitry ny Harena ankibon’ny tany sy ny Loharanokarena Stratejika Andriamatoa Fidiniavo RAVOKATRA ny Alakamisy 29 Aprily 2021.

Toeram-pampiofanana manana traikefa sy fahaiza-manao avo lenta ny IGM ary nokendrena hitondra tombony manokana ho an’ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana vatosoa sy vato sarobidy eto Madagasikara no antony nananganana azy. Tsy arak’izay anefa ny zava-misy ary tsy nahavelon-tena fa niankina hatrany amin’ny fanampiana avy amin’ny Fanjakana foibe izy. Ny taona 2014 hatramin’izao dia mitotaly 2.876.056.000 Ariary ny fanampiana nalefan’ny Fanjakana ho an’ny IGM ; torak’izany ihany koa ireo nanovo fahalalana teo amin’ity toeram-pampiofanana ity, izay hany manana fahaiza-manao sy fahafahana mampiofana experts en gemmologie ahazoana mari-pahaizana iraisam-pirenena avy any Londres aty amin’ny faritra Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana, saingy 175 monja no hany mpianatra tamin’izany hatramin’ny taona 2004 no mankaty. Izany rehetra izany dia maneho fa zary vesatra ho an’ny Fanjakana ny fisian’ny IGM.

Ny fahatsapan’ny Fitondram-panjakana fa tsy tokony ho toy izao no toerana misy ny IGM manoloana ny lentan’ny fampiofanana atolony, sy ho fanomezana aina vaovao ny lalam-pihariana vatosoa sy vato sarobidy eto Madagasikara no anokafana sehatra mivelatra kokoa ho an’izany, ka hananganana ny Bureau de Géologie et de Gemmologie de Madagascar. Ankoatra ny lalam-pihariana vatosoa sy vato sarobidy sy fampiofanana izay niandraiketan’ny IGM teo aloha, ny Bureau de Géologie et de Gemmologie de Madagascar ny Bureau de Géologie et de Gemmologie de Madagascar dia hikirakira ihany koa ny antontan-kevitra momba ny données géologiques hahafahana mamantatra bebe kokoa ny harena ambanin’ny tany eto Madagasikara.