29 Jona 2021 : Atrikasa nanehoana ny vokatry ny fanadihadiana fanisana ireo mpisehatra amin’ny fitrandrahana eladrano amin’ny Faritra Anosy sy Androy.

Firenena manana ny lazany maneran-tany amin’ny famokarana eladrano na mica i Madagasikara. Iaraha-mahalala anefa ny olana momba ny fampiasana ankizy ao anatin’ity sehatra ity, raha tsy hilaza isika afa-tsy ny any amin’ireo faritra Atsimon’ny Nosy izay voalaza ireo.

Tsy mitazam-potsiny ny Fanjakana Malagasy manoloana izany toe-javatra izany, ary izao hetsika notontosaina izao, dia fitohizan’izay efa natomboka hatramin’ny taona 2020, sady tafiditra ao anatin’ny drafitrasa iombonana na Plan d’actions conjointes. Efa maro araka izany ireo dingana sy hetsika niraisan’ny eo anivon’ny Governemanta, tetsy andaniny. Ary tetsy ankilany ihany koa, dia teo ireo mpiara-miombon’antoka izay mitovy fijery sy miara-manatratra izany tanjona izany.

Tongotra mby an-dakana izao hetsika iombonana izao ka tsy miverin-dalana intsony, nanomboka ny anjarany izao ny OIT ka nahatontosana izao fanisana ny mpisehatra izao. Isaorana lehibe azy ireo ny amin’izany, ary inoana fa mbola maro ireo hanaraka izany ohatra izany, ka samy hitondra ny anjara biriky amin’ity ady iombonana ity. Ho an’ny Ministera misahana ny Harena an-kibon’ny tany manokana dia vonona hatrany izahay hanohy ny asa efa natomboka, na amin’ny lafiny fandrindrana aty anivon’ny Ministera foibe izany, fa indrindra ny firotsahana an-tsehatra any an-toerana.

Tanjon’ny Ministera sy ny Birao iraisam-pirenena momba ny asa tamin’izao fanisana izao ny hamantarana mazava ny isan’ireo mpisehatra ara-dalàna na tsia eo amin’ny fitrandrahana eladrano, ny manodidina ny fampiasana ankizy sy ny anjara asa sahanin’izy ireo ao anatiny, ny fomba hampidirana ireo mpiantsehatra anatin’ny ara-dalàna, ny toerana ahitana ireo mpiantsehatra amin’ny fitrandrahana eladrano eto Madagasikara, ny hahafahana mamaritra ny lalan’ny vokatra sy ny lalam-barotra, ny fiantraikan’ny fitrandrahana eo amin’ilay faritra voakasika sy ny tombontsoa ara-toe-karena entin’izany, ny resaka hetra sns.

Ny orinasa ANDRIANASOLO Christophe moa no niandraikitra ny fanadihadiana sy ny fanangonana ny antontan-kevitra manodidina ireo rehetra ireo.

Fanazavana nentin-dRamatoa RANDRIAMIHARISOA Lalaina Hajanirina, Tale Jeneralin’ny Harena an-kibon’ny tany