FAMINDRAM-PITANTANANA TEO AMIN’NY MINISITRA TEO ALOHA RAVOKATRA FIDINIAVO SY NY PRAIMINISITRA NTSAY CHRISTIAN IZAY MISOLO TOERANA VONJIMAIKA MINISITRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY NY LOHARANONKARENA STRATEJIKA

Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta ny Alarobia tapaky ny Filankevitry ny Minisitra ny  Alarobia 11 Aogositra 2021, namarana ny fe-potoana iasan’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, dia nisy ny fanendrena Minisitra vaovao hitantana ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika ny Alahady 15 Aogositra 2021.

Taorian’ny fametraham-pialana nataon’ny Minisitra voatendry, dia ny Praiminisitra NTSAY Christian no hisahana ny fitantanana ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika mandram-panendry ny Minisitra vaovao. Notanterahana androany Alatsinainy 23 Aogositra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’Andriamatoa isany RAVOKATRA Fidiniavo, Minisitra teo aloha sy ny Praiminisitra NTSAY Christian izay mandray izany fitantanana izany manomboka androany.

Taorian’ny fifamindram-pitantanana dia nisy avy hatrany ny fihaonana teo amin’ny Praiminisitra sy ireo Tale Jeneraly sy Tale eo anivon’ny Ministera foibe sy ireo mpitantana ny rantsa-mangaika isan-tsokajiny. Fifanakalozana amin’ny fandraisana an-tanana ny Ministera sy nametrahany ny lalan-tsaina vaovao hizorana amin’ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany. Napetraka mba hifotoran’ny fampandrosoana an’ i Madagasikara ity Ministera ity, araka ny nambaran’Andriamatoa Praiminisitra, ka tsy azo ekena intsony raha ny harem-pirenena no lasa mampahantra ny tanindrazana. Mitaky fanarenana izany ary maro araka izany ireo vokatra andrasana: eo ny fanovana ny Lalàna mifehy ity sehatra ity, ny famerenana ny vola vahiny an-tanindrazana, ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena. Mazava ny tanjona dia ny hisitrahan’ny vahoaka sy ny firenena tombontsoa avy amin’ireo harem-pirenena misy eto amintsika. Nasiany tsindrim-peo ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ny rehetra ho amin’ny fanovàna ny tantara: mitaky fiombonana, fahasahiana ary fahaizana mandray lesona amin’ny zava-mitranga, ho fitsinjovana ny tombontsoam-pirenena izay ambony indrindra.