Fananganan-tsaina voalohany teo ambany fitarihan’ny Praiminisitra.

Fananganan-tsaina voalohany teo ambany fitarihan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian, sady Minisitra mpisolo toerana mitantana ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika, niarahany tamin’ireo mpiasa eo anivon’ny Ministera foibe sy ireo rantsamangaika, teny Ampandrianomby.

Nazava ny hafatra nampitain’ny Praiminisitra fa mifantoka amin’ny tombontsoan’ny firenena no lalan-tsaina tokony hibaiko ny tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ny mpiasa tsirairay eo amin’ny toerana misy azy sy ny andraikitra sahaniny. Nampatsiahiviny araka izany fa hampiroborobo ny toe-karem-pirenena no andrasana amin’ity Ministera ity.

Koa nanentana ny rehetra izy hanaja ny asany sy hanatanteraka izany ao anatin’ny fahamarinana sy fahitsiana tanteraka.