FIFAMINDRAM-PAHEFANA MMRS:nandray fahefana ny Minisitra vaovao RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier

Taorian’ny fanendrena ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny Governemanta dia niroso tamin’ny fifamindram-pahefana ny teto anivon’ny Ministeran’ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika. Tao amin’ny Amphithéatre Lacroix Ampandrianomby no nanatontosana izany androany Alakamisy 17 Martsa 2022, teo amin’ny Praiminisitra NTSAY Christian, Minisitra mpisolo toerana sy ny Ministra vao voatendry RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, araka ny Didim-panjakana laharana faha 2022-400 manendry ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny Governemanta, noraisina omaly Alarobia faha-16 Martsa 2022. “Mitaky aina vao no sady mila fanarenana ity sehatra ity”, hoy ny Praiminisitra NTSAY Christian. Anisan’ny teboka voaresaka nandritra ity fifamindram-pahefana ity ny fanavaozana ny Lalàna mifehy ny harena ankibon’ny tany, ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena toa ny vato sarobidy sy ny volamena, ny fampiroboroboana ny sehatry ny fitrandrahana vaventy sy fampidirana eo amin’ny sehatra matihanina sy ara-dalàna ireo mpitrandraka teratany madinika sy salantsalany, ny mahakasika ny fahazoan-dalana hitrandraka, ary ny momba ny fanitarana ny rambon-tany ambany ranomasina. Naneho ny fankasitrahany ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta ny Minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon- karena Stratejika vaovao amin’ny fitokisana napetraka aminy hitantana ity Ministera ity. Goavana ny andraikitra ary mila fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa matotra amin’ny tsirairay izany, hoy izy. Nasiany tsindrim-peo fa ny fahamarinana sy fahitsiana no lalan-tsaina fototra ho enti-miasa hahatrarana ireo vina sy fanamby napetraka mba ho tena fanoitra, ho fampandrosoana marina tokoa sy ahafahan’ny rehetra hisitraka tombontsoa ny sehatry ny harena ankibon’ny tany. Nanatrika ity fifamindram-pahefana androany ity ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany eo anivon’ny Ministera foibe sy ireo ratsamangaikany. MMRS/DCRI – Mars 2022