Akon’ny fambolenkazo faritra Menabe sy faritra Vatovavy Fitovinagny

Fambolen-kazo nokarakarain’ny Fitaleavam-paritra ny Harena an- kibon’ny sy ny Loharanon-karena Stratejika DRMRS Menabe tao amin’ny Fokontany Betalatala Kaominina ambanivohitra Andranomainty, Distrikan’i Miandrivazo ny Alakamisy faha-03 Martsa 2022.

Zana-kazo « Acacia » miisa 3 600 no novolena nandritra izany fotoana izany.

Ireo mpisehatra eo amin’ny harena an-kibon’ny tany, nahitana ireo mpanivana sy mpanangona volamena avy ao amin’ireo Fokontany ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Andranomainty sy ireo mpanefy firavaka dia nandray anjara tamin’izao hetsika izao.  Nanome voninahitra sy nandray anjara feno tamin’izany koa ireo tomponandraiki-panjakana maro tonga namaly ny antso.

 Ny Alahady faha-06 Martsa 2022, nanatanteraka fambolen-kazo ireo vehivavy eo anivon’ny Faritra Fitovinagny izay notarihin-dRamatoa Mialy Rajoelina, vadin’ny Filoham-pirenena.

Nandray anjara mavitrika tamin’izany ireo vehivavy ao amin’ny Fitaleavam-paritra Fitovinagny sy ny BCMM Manakara. Tsy nitsanga-menatra ny Ministera noho ireto vehivavy izay mavitrika sy mafana fo ho an’ny firenena.

Fampitam-baovao sy sary : DRMRS Menabe – DRMRS Vatovavy sy Fitovinagny