AKOM-BAOVAO DIRMRS MAHAJANGA SY DIANA: Fiarahamiasa amin’ny zandarimaria sy polisimpirenena momba ny fampanarahan-dalana ny fitaterana harena ankibon’ny tany

Nisy ny hetsika fanamafisana ireo tsara ho fantatra ho an’ireo  ekipan’ny CIRGN, Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Faritany Mahajanga izay nifandrimbonan’ny avy eo amin’ny Fitaleavana Iraisam-paritry ny Harena ankibon’ny Tany sy ny Loharanonkarena Stratejika sy ny Polisin’ny Harena an-kibon’ny tany  Mahajanga ny 04 Martsa 2022.

Miompana indrindra amin’ny fampahafantarana ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa vato, indrindra ny mahakasika ny fitaterana sy fivezivezen’ny vato. Noresahana ihany koa ireo mety ho endrika tsy fanarahan-dalàna rehetra sy ny tokony atao manoloana izany rehefa tojo ny tranga toy izany.

Izao no natao dia mba hampirindra hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministera tomponandraikitra voalohany momba ny harena ankibon’ny tany sy ireo mpisehatra rehetra izay tsy afa-miala amin’izany.

Ny Fitaleavam-paritra DRMRS DIANA dia nanatanteraka hetsika fampahafantarana toy izany koa, ka ireo mpitandro filaminana avy eo amin’ny Zandarimariam-pirenena no nisitraka izany ny faha-02 Martsa 2022, ary ny Polisim-pirenena kosa ny andro manaraka 03 Martsa 2022

Nampahafantarina nandritra izany ireo fandikan-dalàna misy eo amin’ny sehatry ny asa vato sy ireo taratasy izay tokony hananan’ireo mpitondra vato ato amin’ny faritra DIANA. Ary nanehoan’ireo mpitandro filaminana ireo ihany koa ny tranga fahita amin’io sehatra io nandritra ny fifanakalozan-kevitra.

Fampitam-baovao sy sary : DIRMRS Mahajanga – DRMRS DIANA

MMRS/DCRI – Mars 2022