Akon’ny tagnamaro 19/02/2022: Ambatondrazaka – Fianarantsoa – Toamasina
Mandray anjara mavitrika amin’ireo hetsika Tagnamaro tontosaina isak’ireo faritra misy azy hatrany ireo mpiara-miasa anatin’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika.
Ho an’ny DRMRS Alaotra Mangoro, fambolen-kazo tao amin’ny toby famatsiana ranon’ny JIRAMA Ambodiakondro Ambatondrazaka no natao. Zanakazo Eucalyptus 1500 isa no novolena nandritra izany
Tany Fianarantsoa kosa, fanarenana ny EPP Mandriandalana izay anisan’ny niharam-boina noho ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai no notanterahana. Nandray anjara tamin’ny fampitaovana sy fifanomezan-tanana ny DIRMRS Fianarantsoa sy ny BCMM any an-toerana.
Ho an’i Toamasina, « Tagnamaro fambolen-kazo antanan-dehibe » no notanterahana teny amin’ny Fokontany Ambodiampaly Antanandava ary nandraisan’ny Fitaleavam-paritra DRMRS Toamasina anjara.
Zana-kazo Palmiers sy Flamboyants miisa 1000 no novolena ho fandravahana ny lalam-pirenena (route fleurissante).
Fampitam-baovao sy sary : DRMRS Alaotra Mangoro – DIRMRS Fianarantsoa – DIRMRS Toamasina
MMRS/DCRI