Akom-baovao DIRMRS Toamasina: Fambolen-kazo niarahana tamin’ireo mpandraharaha harena ankibon’ny tany

Nanatanteraka fambolen-kazo ny Sabotsy 19 Martsa 2022 tao amin’ny Fokontany Marovato Tanandava, Commune Suburbaine Toamasina ny Fitaleavana iraisam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany DIRMRS Toamasina  niaraka tamin’ny BCMM sy ny Police des Mines ary ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.

Zana-kazo miisa 1000 no novolena tamin’ny velaran-tany 1,5 Ha, nahitana ny acacia, bonara, mandrirofo ary voamadilo.

Fampitam-baovao sy sary : Tale Iraisam-paritra DIRMRS Toamasina